Lavon’ny balan’ny zandary teny Ambohimanga Atsimo, ny alakamisy 30 jolay 2026 teo, tamin’ny 11 ora atoandro, ny dahalo miisa telo. Azo sambo-belona ny dimy hafa, afakomaly tamin’ny 12 ora alina. Nikasa hanafika ny tanàna tany an-toerana ny dahalo manodidina ny 15 isa. Nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ary sakaosy izy ireo. […]
Tselatra
TSELATRA
Renim-pianakaviana tokony ho 48 taona hita faty teo amoron-dranon’Ambahy, Lakandranon’i Pangalana, distrikan’i Nosy Varika, omaly maraina. Avy any Fenoarivo Ambahy io olona hita faty io, mpikarama manao vary ary mivezivezy amin’ny lakana eo anelanelan’i Ambahy sy Fenoarivo no ahitan’ny olona azy. Tsy nahitana ratra ny vatany, araka ny fizahana nataon’ny […]
TSELATRA
Nahitana zaza menavava nisy nanary tetsy amoron’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Hitan’ny olona teo akaikin’ny tetezan’Ampasika io zaza io. Nasitrika tao anaty gony ary avy eo nofonosina harona plastika izy tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ny nahavanon-doza. Tafaporitsaka […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray 85 taona niharan’ny herisetra tany Andranotakatra Ambony, kaominina Ambatosia, distrikan’i Bealanana, ny zoma 7 aogositra 2025. Naiditra vonjimaika am-ponja ilay lehilahy nahavanon-doza, saingy efa tafavoaka sahady, afakomaly 28 jolay 2026. Manao antso avo, araka izany, ny mponina manoloana izao tranga izao. Vokatry ny herisetra nahazo azy, folaka ny […]
TSELATRA
Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 20 taona, maty natelin’ny ranomasina tany Nosy Varika, afakomaly. Tsiahivina fa lakana iray mpitatitra olona avy ao Nosy Varika hihazo an’i Mananjary no nidona teo amin’ny andrin’ny tetezana ka vaky sy rendrika. Mpianatra ao amin’ny Lycée manambina ary vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ny […]




