Tselatra

Taratry ny kanto

Krutambull eny amin’ny La Tetinturerie Ampasanimalo. Manomboka amin’ny 8 ora ny sehon-dry zalahy ireto, hitondrany indray ny ragga muffin nahafantarana azy. Manana hira vaovao maro koa ny tarika tao anatin’izay fotoana tsy nahitana firy azy izay. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy ireo amin’ny 10 ora […]

Sombim-baovao

Tsy nahazo medaly ny Malagasy atleta mianadahy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona ambony torapasika «Beach Wrestling», izay natao tany Sénégal, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara mari­hina anefa fa samy nandresy am-boalohany avokoa izy ireo. Hahemotra ny volana jolay ho avy izao, ny manasa-dalan’ny fiadiana ny […]

Fantina sy fintina

Nomem-boninahitra farany tetsy amin’ny fitsarana Tampony Anosy, omaly ny nofo mangatsiakan-dRakotondravo Henri Solo. Tonia mpampanoa ambony tao amin’ny fitsarana ambony ao Mahajanga izy ary nodimandry ny 05 jona teo. Nanao ny adidiny tamin’izany ireo eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Nitarika izany ny minisitry ny Fitsarana. Tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina miisa 18 […]

Tselatra

Notanan’ny zandary ilay ankizilahy 15 taona na­mono nahafaty ny renibeny 77 taona tao Tsarari­votra, fo­kontany Antanambao, kaominina Ilaka Est, distrika Vato­mandry, ny alatsinainy 24 jona teo. Nitaky trosa tamin’io zafikeliny io ilay ramatoa. Nodarohan’ ilay tovolahy anefa izy ka voa mafy teo amin’ny lohany sy ny tanany. Tapitra ny ainy […]

Indray mijery

Ho maina ny andro ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy, manomboka anio. Vinavinaina ho maina koa izany any amin’ny faritra hafa. Mety hisy fiakarana ny maripana ambony saika manerana ny Nosy, manomboka rahampitso. Manodidina ny 5 – 24°C izany ny maraina ary eo anelanelan’ny 18 – 35°C […]