Vehivavy iray 50 taona hita faty nanamorona ny reninaranon’Ikopa, nanoloana ny tobin-dasantsy, omaly. Olona tsara sitrapo no nampilaza ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra ny mombamomba azy io. Naka ny razana sy nitondra azy teny anivon’ny tranom-paty ny BMH. Tonga teny an-toerana ny borigady misahana ny heloka bevava. Nalefa eny amin’ny […]
Tselatra
TSELATRA
Roa lahy nahatraran’ny polisy rongony nokasaina hamidy tao Andalanampotsy, kaominina Mananara-Avaratra, ny 16 jona teo. Nahatratra 40 fatorana ny rongony sarona teny amin’ireo roa lahy ireo. Notanana vonjimaika ireto farany. Mpivady niara-namaky trano voasambotry ny polisy tao Morombe, omaly maraina. Nalain’izy roa ny fahitalavitra sy entana sarobidy tao amin’ny tokantrano […]
TSELATRA
Lehilahy iray nosamborin’ny polisy avy ao amin’ ny CSP4 Isotry, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora sy sasany, teny La Réunion Kely. Tratra nanao herisetra tamin’ny vadiny izay bevohoka izy. Nodaroany mafy ilay vehivavy ka naratra, ary tsy maintsy naiditra hopitaly. Tonga ara-potoana ny polisy ary nisambotra ilay nahavanon-doza. Manentana ny […]
TSELATRA
Zazalahy hita faty tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Imerintsiatosika, ny zoma 13 jona teo, tamin’ny 11 ora atoandro. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io zazalahy vao 4 taona monja io. Ny vatana mangatsiakany hany sisa hita. Zava-mahadomelina 39 kg saron’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Natao ny fikarohana ireo olon-dratsy nitatitra io […]
TSELATRA
Zazakely iray voatsatoka tamin’ny hety napetraka tamin’ny sisin-dalana, teny Ambohimalaza, omaly. Nahita sy nitondra azy tany amin’ny CSB Ambohimalaza ny raim-pianakaviana sendra nandalo. Nodidina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy avy eo. Saika hovonoina ho faty io zaza io ka notsatohana tamin’ny hety. Lasa nitsoaka ilay nahavanon-doza ary navelany teo ilay […]




