Tselatra

TSELATRA

Efa-dahy namaky trano voasambotry ny zandary tao Brickaville, ny alin’ny talata 1 jona teo, tamin’ny 11 ora. Sarona teo am-panaovana ny asa ratsiny izy efa-dahy ireo ka tsy nisy afa-nandositra intsony. Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Ambohimiandra, kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo, ny 30 jona teo. Roa lahy […]

Nitrandraka volamena : Raim-pianakaviana maty nihotsahan’ny tany

Raim-pianakaviana iray, 35 taona, maty nihotsahan’ny tany tao amin’ny kaominina Ivato Centre, distrikan’Ambo­si­tra, faritra Amonoron’i Mania, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Olona sivy izy ireo no niaraka nitrandraka volamena tao amin’io toerana io. Tampoka, nihotsaka ny lavaka ary voatsindrin’ny ranontany tao io raim-pianakaviana io. Nieren-doza sy avotra soa […]

TSELATRA

Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy tao Fara­fangana, afakomaly alina. Jiolahy maromaro no hita nivory tao amin’ny fokotany Andranomakoko. Nikasa sy nikononkonina fanafihana iray tao an-toerana izy ireo. Nitifitra izy ireo vao nahita ny polisy no sady nandositra. Lavo nandritra ny fifampitifirana ny iray tamin’izy ireo. Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary […]

TSELATRA

Tafakatra 17 ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo niseho tany Ambositra, ny alahady 22 jona lasa teo. Niisa efatra mianadahy ny maty omaly, raha ny tatitra voaray farany. Mbola miatrika fitsaboana any amin’ny hopitaly Antsirabe ny telo ary tsaboina etsy amin’ny HJRA Ampefiloha ny iray hafa. Voatifitry ny […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray maty notrongisin’ny ombiny tao Marofarihy, distrikan’i Fenoarivobe, ny alarobia 18 jona teo. Rovitra tanteraka ny kibony, ny fe hatramin’ny lamosin’ilay rangahy izay efa nitsirara tamin’ny tany tamin’io fotoana io. Olona iray namoy ny ainy taorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho tao Manjaka rehefa niala avy any Ambohimahasoa, omaly. Mpitety tsena io […]