Tselatra

TSELATRA

Tra-doza tampoka nivoaka ny arabe ny fiara iray teny amin’ny Digue Andohatapenaka, afakomaly. Niala mpitondra bisikileta io fiara io kinanjo tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana. Nirona anaty tanimbary ilay fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Maty vokatry ny lozam-piaramanidina nahazo azy ny filoha Iraniana Ebrahim Raïssi, afakomaly. Niara-namoy ny […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny lalana mampitohy an’i Mahasolo sy Bemahatazana. Teo amin’ny toerana atao hoe Ampoharamaso, fokontany Fenomanana, kaominina Mahasolo no nitrangan’izany, afakomaly. Ni­voaka tampoka ny lalana ny “tracteur” nentin’izy mivady vokatry ny olana ara-teknika. Naratra ilay ramatoa vadiny. Naiditra eny Tsiafahy, afakomaly, […]

TSELATRA

Nifanenjehan’ny fokonolona, lehilahy iray nanendaka mpanao gazety voasambotra teny Ambo­himanandray , Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nalainy ny rojo volamena nilanja 4,42 g. Namoaka io rojo io ilay mpanendaka taorin’ny fanerena azy. Efa mpamari-keloka amin’ny fanendahana sy hala-boty izy. Nisy nanondraka lasantsy sy nanimpy afo ny […]

TSELATRA

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass akaikin’ny Domaine, omaly hariva. Olona nanao taingin-droa tamin’ny moto ireto tra-doza tampoka ireto. Nifandona tamin’ny kamiaobe ka ilay olona nipetraka taorian’ilay mpitondra moto no voahitsaka. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy. Fasana telo nisy namaky tao Ambohipeno, kaominina Arivonimamo, afakomaly alina. Razana […]

TSELATRA

Olona 20 mahery naratra vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Vohiparara, omaly maraina. Taksibo­rosy nitondra mpianatra niala avy any Andranomafana Ifanadiana hihazo an’i Befato no tra-doza tampoka tao Vohiparara. Nentina namonjy ny Hopitalibe CHU Tam­bohobe Fianarantsoa, ireo naratra. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Nifanehatra tamin’ny tompon-trano avy nivavaka ireo […]