Nahatratra 14 ireo olona voasambotry ny polisim-pirenena nandritra ny hetsika “bemidina” nataon’izy ireo, ny sabotsy 12 avrily 2025 lasa teo. Olona efatra voasambotry ny Kaomisaria Isotry, niarahany tamin’ny PPA 1, PPA 3. Olona 10 hafa voasambotry ny polisy avy amin’ny Kaomisaria Analamahitsy, noho ny fitazonana sy fifohana zava-mahadomelina ary filokana […]
Tselatra
TSELATRA
Toeram-pivarotana iray ao amin’ny fokontany Maharavo, Ambohidratrimo, notafihan’ny jiolahy afakomaly alina, tamin’ny 10 ora sy sasany. Lasan’ireo jiolahy, nandritra izany, ny vola 2 tapitrisa Ariary. Naratra mafy vokatry ny vono nahazo azy kosa ny raim-pianakaviana tao an-trano. Andian-jiolahy am-polony nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanao ny asa ratsy. Nopoirin’ny jiolahy […]
TSELATRA
Mpianatra mirahavavy, samy 12 taona, niara-maty an-drano tao anaty dobo tany Ambalavao, Avaramanda Ambany Avaratra, afakomaly hariva. Mpianatra taona faha-4 ao amin’ny EPP Ramamonjy Pierre Avaramanda, izy ireo. Naharitra ora telo ny fikarohana azy ireo tao anaty rano. Nandro tao amin’io dobo io ny anton-dian’izy ireo ka izao nalentiky ny […]
TSELATRA
Mitohy ny Operation Bemidina ataon’ny polisim-pirenena eto an-dRenivohitra, afakomaly alina. Toeram-pisotroana miisa dimy voatery nakatona noho ny tsy fanajana lera, teny Mahamasina. Manao fisafoana eny amin’ireo toerana anjakan’ny tsy fandriampahalemana koa izy ireo. Notanana vonjimaika am-ponja ny sefo fokontany Mangarivotra Avaratra, kaominina Toamasina, omaly. Anisan’ny voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ilay mpianatra 19 […]
TSELATRA
Lehilahy iray 25 taona hita faty tany Itavy Mangidy, tany Ikalamavony, omaly maraina.Nahitana tsindrona fito ny vatany, anisan’izany ny teo amin’ny masony, ny tratrany, ny kibony ary ny tongony, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandarimaria any an-toerana. Voasambotry ny polisy ilay lehilahy mpitondra bajaj nandoro […]




