Fiara tsy mataho-dalana tra-doza ka nivadika tetsy amin’ny RN1, teo Malaza Ampitatafika, omaly tolakandro. Tsy nisy nahiana ny ain’ireo mpandeha enina mianaka tao anatin’ny fiara. Roa lahy nandroba tao anaty taxi-be voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika, ny sabotsy 26 avrily teo. Nalain’ireo tontakely ireo ny volafotsy an’ny vehivavy iray mpandeha. […]
Tselatra
TSELATRA
Voasambotry ny polisy omaly ny iray tamin’ireo nangalatra « camera de surveillance » teny Isotry, afakomaly maraina. Tratra teny Manarintsoa izy io, taorian’ny fikarohana sy angom-baovao samihafa nataon’ny polisim-pirenena napetraky ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’Isotry. Mbola nahitana « tablette » roa sy finday 10 tany aminy. Tapa-tanana ny mpamily […]
TSELATRA
Lehilahy roa voarakitra an-tsary nandroba tetsy Isotry, omaly maraina, tamin’ny 3 ora. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina io toerana io izy roa lahy. Nesorin’ilay olon-dratsy ny fitaovana maka ny sary izay mirakitra ny zava-misy teo amin’ilay toerana lasibatra. Efa manao ny fikarohana ny polisim-pirenena. Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana tampoka teny […]
TSELATRA
Fiara fitateram-bahoaka iray no may kila forehitra, omaly, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany Antanandava Bekoratsaka, Distrika Mampikony. “Court-circuit” teo amin’ny motera no nitarika ny afo, raha ny fanazavana voaray. Tsy nisy naratra ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara fa niala mialoha rehefa naheno tranga hafahafa. Voasambotry ny mpitandro filaminana […]
TSELATRA
Lehilahy iray 42 taona nangalatra fiara tetsy Andrononobe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, voasambotra. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy raha tsy tonga haingana ny avy amin’ny polism-pirenena nisambotra azy. Mpanao fantson-drano ary monina eny Ambohitrarahaba ity raim-pianakaviana ity. Vehivavy iray nitondra moto, maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny […]