Tselatra

TSELATRA

Telo lahy tsy ampy taona mpamaky trano voasambotry ny zandarimaria tao Soavina Atsimondrano, Ankorondrano ary 67 Ha, afakomaly alina. Tratra teo am-pamakiana tranon’olona avokoa izy telo ireo. Lehilahy iray hafa tra-tehaka tao Tanjombato nitondra sakaosy nisy fitaovana fampiasany mamaky trano. Nosamborin’ny zandary ireo mpianaka nampihatra herisetra tamin’ny raim-pianakaviany tao Toamasina, […]

TSELATRA

Lehilahy iray tratra nangalatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tetsy Ampefiloha, omaly. Tratran’ny polisim-pirenena nanao fisafoana teny an-toerana tamin’ny 4 ora sy 20 minitra izy io. Nentina avy hatrany teny anivon’ny paositry ny polisy izy nanaovana fanadihadiana. Mbola karohina ny namany hafa manao izao asa ratsy izao. Naiditra am-ponja eny […]

TSELATRA

Olona roa nitondra moto nikasa handroba mpanao gazety teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, Boriborintany faha-V, ny alin’ny talata 15 avrily teo, tamin’ny 8 ora sy 15 minitra. Nanaraka tamin’ny moto ireo olon-dratsy ka voasakana teo amin’ny mangingina ireo lasibatra, izay olona roa. Namoaka antsy ny mpandroba saingy namaly ireo nendahina. Nisy […]

TSELATRA

Lehilahy tsy salama saina, 30 taona, no matin’ny fitsaram-bahoaka tany amin’ny fokontany Amberobe, kaominina Ambohimiadana, Andramasina, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hitan’ny olona saika hangalatra vary tao amin’ny tanàn’Ambatonimanana izy io ary nandositra avy hatrany taorian’izay. Novonoin’ny olona izy ary naratra mafy. Tonga nijery ny zava-misy ny zandary […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 52 taona maty nilatsaham-potaka tany Bemasoandro, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady lasa teo. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy io, niaraka tamin’ny olona telo hafa. Nandroaka omby efatra izy ireo no nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa taminy. Tsy nisy naninona kosa ireo omby. Lehilahy roa nosamborin’ny Polisy […]