Tselatra

Vaovao tambatra

Miisa 28 ny mpanangom-bolamena nandoa mivantana ny tamberim-bidy tany Antanimbary Maevatanàna, ny 27 septambra teo. Tany Betsiaka Ambilobe no nanombohana ny fandraisana eny ifotony ny tamberim-bidy amin’ny volamena, nahitana ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Ivontoerana misahana ny volamena, ny biraom-paritra, sns. Efa aloa […]

Tselatra

Trano 18 tafo kila hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Lavanono, Ankijaba, kaominina Fanambana, distrikan’i Vohemar, afakomaly. Niainga tamin’ny fipoahana vatoharatra tao amin’ny tokantrano iray ny afo. Potika avokoa ny entana tao amin’ireo tokantrano lasibatra. Mpandeha iray namoy ny ainy taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny fokontany Niere­nena Brickaville, afakomaly. Nandeha mafy […]

Fantina sy fintina

Tsy azo ihodivirana ny hananantsika filo­ham-pirenena voafidim-bahoaka mialoha ny fahataperan’ ny taona 2027, araka ny nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniel, omaly. « Fanasaziana vahoaka ny tsy fanatanterahana izany », hoy izy. Tsiahivina fa kandidà filoham-pirenena ny taona 2023 ny tenany. Nangina taty aoriana ary izao naneho hevitra izao indray. Nivoitra tamin’ny kongresim-paritanin’ny HVM, tany […]

TSELATRA

Trano hazo miisa telo niara-nirehitra tetsy amin’ny fokontany Andranomahery, boriborintany fahatelo, omaly tolakandro. May kilan’ny afo avokoa ireo entana rehetra. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa efa misokatra ny fanadihadiana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny lefitra faharoan’ny délégué au Maire, niaraka tamin’ny sefo fokontany Andranomahery […]

TSELATRA

Ahemotra amin’ny daty tsy mbola fantatra ny fitsarana an-dRakotomanga Rina, raha ny nambaran’ny mpitsara omaly, teny amin’ny Pac 67 Ha. Mbola misy tatitra andrasan’ny eo anivon’ny fampanoavana. Namoahana didy koa ny hanaovana fanadihadiana ny orinasa Air Madagascar any Toamasina. Olona telo nahazo fahafahana vonjimaika. Raha tsy nahazo izany kosa i […]