Tselatra

TSELATRA

Vehivavy 22 taona sy zazavavikely 2 taona hitan’ny tomponandraikitra nirenireny teo anoloan’ny Kaomisarian’Ambohimanarina, ny zoma 24 jolay 2026, tamin’ny 12 ota atoandro. Nahafahana nifandray tamin’ny fianakaviany ny laharana finday iray nomen’ilay vehivavy. Fantatra tamin’izany fa efa notadiavin’ny havany tany Manjakandriana izy mianaka ireo. Natolotra ny Cellule d’enquête mixte Tsaralalàna ny […]

TSELATRA

Dimy lahy saika hanafika fiara teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ravan’ny zandary ny alin’ny 20 jolay 2026 teo. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Ambalanjanakomby rehefa nahare ny tranga. Nikasa hanararaotra fiara “en panne” teo amin’ny toerana antsoina hoe “Pont Jakoba” ireo olon-dratsy ireo. Nandositra izy ireo vantany […]

TSELATRA

Olona efatra mpanamparitaka vola sandoka tra-tehaka tao Ambalavato, faritra Matsiatra Ambony, afakomaly. Mody nametraka vola mitetina 80 000 Ar tamin’ny Cash point ireo mpisoloky. Tsikaritry ny tompon-tsena ka noraisim-potsiny. Nosamborin’ny zandary tao Sahalemaka fo­kontany Ambaniala, kaominina Bemasoandro ny lehilahy iray mpisoloky, afakomaly. Mody mivarotra entana mora amin’ny alalan’ny ranty ao anatin’ny […]

TSELATRA

Hita omaly maraina ny ankizilahy roa, 12 sy 9 taona, nanaovana ombay mitady ny 16 jolay teo. Nandeha namonjy alim-pandihizana fanaovana didim-poitra teny Ampasika izy ireo, ny alin’ny 16 jolay tamin’ ny 9 ora alina. Tsy nahalala nody raha tsy maraina ny andro. Nandainga ho nisy nangalatra izy ireo, saingy […]

TSELATRA

Sambokely misy motera (vedette) iray no rendrika an-dranomasina tao Lavanono, distrikan’i Beloha, faritra Androy, omaly maraina. Niaraka nanavotra sy nisintona izany ny zandary sy ny fokonolona ary ny mpanjono. Efa simba tanteraka ilay sambo ary nahitana motera (hors-bord) roa niaraka taminy. Efa misokatra ny fanadihadiana. Lehilahy miisa telo tratran’ny zandary […]