Mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny taranja Judo ho an’ny sokajy -70 kg, ilay vehivavy atleta malagasy, Rasoanaivo Laura. Nisy ny resadresaka nataon’ny gazety Taratra taminy, omaly. Dinidinika. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny nandraisanao izany laharana voalohany maneran-tany izany ? Laura (-): Faly satria nahazoana vokatra ny ezaka […]
Other News
Avy nitifitra tompon-trano : dahalo iray maty voatifitry ny polisy
Tokantrano iray niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Soahevana, fokontany Soafandry, kaominina ambanivohitr’Anjoma, distrikan’i Manandriana, afakomaly maraina. Nanohitra ireo mpanafika anefa ny tompon-trano ka norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka, maty tsy tra-drano. Nitsoaka ireo dahalo ka tsy nahazo na inona na inona tao amin’ity trano notafihina ity. Nanao fanarahan-dia […]
Fitantanana sy andraikitra : manoro lalana ny tanora ny ben’ny Tanàna, i Elie Dominic
Iza izy ? Ben’ny Tanànan’i Talatamaty, Raharinoasy Elie Dominic. 41 taona ary manambady sy zanaka iray. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo malagasy. Mpikatroka Judo fony fahakeliny ary tia ny basikety sy volley-ball. Mpanamory fiarakodia amin’ny Run. Mankafy ny gadon-kira malagasy sy vahiny. Nianatra momba ny “Transit et douane”, taorian’ny nahazoana ny […]
Fiainan’antoko : miasa sy manentana ny Tim
Manetsika ny eny ifotony ny Tim sady manentana. Anisan’izany ny eny anivon’ireo fokontany any Fianarantsoa. “Mitohy ny fanentanana hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Manana 20 andro hanamarinana ny anarany sy ny mombamomba azy eny anivon’ny fokontany kosa ireo efa nahavitra izany”, hoy ireo mpitarika. Efa nanao ny azy ary mbola mitohy […]
Sosialim-bahoaka sy fifidianana; raikitra ny fidinana ifotony, fakan- kevitry ny FFKM
Tsy an-kiandriandry fa arahina asa. Efa niroso amin’ny fidinana ifotony ho amin’ny fakan-kevitra ny eo anivon’ny FFKM, ankehitriny. Niainga amin’ny efa nambaran’ireo filoham-piangonana taorian’ny fikaonandoha nokarakaraina teny Ilafy, ny faran’ny volana marsa teo, izao ary efa fanohizana izany avy hatrany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa efa voarindra sy voalamina avokoa miainga any […]






