Nampihetsi-po! Natao, omaly, tao Ambanitsena Ambalavao ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny G2C Sedrick Nantenaina na i Jao. Nitarika izany ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Ambalavao, Randrianirina Yves Georges ary ireo mpiara-miasa aminy. Nanaovana fotoam-bavaka nitrotroana am-bavaka ny fanahiny tao amin’ny Ekar Md Joseph izy, alohan’ny hanitrihana azy any […]
Other News
Fanafihana mitam-piadina : vehivavy iray maty, naratra mafy ny zanany kely
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Agnambia, kaominina ambanivohitra Ampataka, distrika Vangaindrano, ny alahady teo. Niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ny andian-jiolahy. Fito lahy nirongo basy sy zava-maranitra izy ireo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nanampatra herisetra ireto olon-dratsy ka nandratra azy telo […]
Lehilahy voasambotra : saika hividy ordinatera tamin’ny vola sandoka
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Behoririka, afakomaly, ny lehilahy iray nitondra vola sandoka. Raha ny fanazavan’ny polisy, ny 18 marsa lasa teo, tonga tao amina tranombarotra iray eo Behoririka ity lehilahy ity fa hividy ordinatera. Nijery ilay ordinatera izy ka tapa-kevitra fa hividy […]
Mpanondrana Olona: 15 mianadahy naiditra am-ponja ao Antsiranana
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antsiranana ireo olona 15 vosaringotra tamin’ilay fanondranana olona antsokosoko tatsy amin’ny nosy Mayotte. Olona efatra hafa nahazo fahafahana vonjimaika. Niakatra fampanoavana nanomboka afakomaly ny olona 19 voarohirohy tamin’ilay sambo rendrika nitondra mpiondrana antsokosoko saika ho atsy amin’ny nosy Mayotte, andro vitsy lasa izay. Nitohy hatramin’ny […]






