Atomboka eny Isotry ny fanamboarana ny lalana simba rehetra eto Antananarivo manomboka androany. Tapaka, noho izany, ny lalana Agosthino Neto Isotry ka hatrany amin’ny Aigle noir. Tapaka tanteraka, araka izany, ny lalana eo amin’io faritra io mandra-pahavitan’ny asa, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo. Efa misy ny lamina napetraky ny tomponandraikitra […]
Other News
Montsana ny vidiny ambony indrindra : tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy
Araka ny notaterina teto omaly, nahatratra 11,5 % ny fidangan’ny vidim- piainana, ny janoary 2023 teo, araka ny tatitry ny FMI. Voaporofo sady mitohy izany ankehitriny, satria tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny vidim-bary eto amintsika. Taitra ny rehetra ! Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-bary eto an-toerana. Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy […]
Orange du Livre en Afrique 2023 : hiatrika ny famaranana i Michèle Rakotoson
Anisan’ireo mpifaninana dimy hiatrika ny famaranan’ny “Prix Orange du Livre en Afrique 2023”, andiany fahadimy, i Michèle Rakotoson, amin’ny alalan’ilay bokiny “Ambatomanga”. Ny 15 marsa 2023 no namoahan’ny mpikarakara ny vokatra, tany Abidjan Cote d’Ivoire. Nahatratra 38 ny boky nifaninana tamin’ity andiany ity. Boky avy amina firenena 12 avy eto […]
Sehatry ny dihy: hankalaza ny faha-25 taonany ny tarika “Rary”
Tontosa teny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, ny alakamisy 16 marsa 2023, ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny tarika Rary. Noresahin’ny tomponandraikitra tamin’izany ny momba ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Rary, misehatra eo amin’ny dihy. Tanjona ny hanatsara hatrany ny tarika, indrindra ny sehatry ny dihy eto Madagasikara, hoy […]
Zoma Finaritra: hiray sehatra ny Sôva sy ny Slam
Seho tsy fahita firy ny fiarahan’ny Sôva sy Slam anaty fampisehoana iray. Tsy nataon’ny mpikarakara sy ny mpahay ireto kanto ireto sakana ny fahasamihafana misy eo amin’ny haikanton’izy ireo avy fa vao mainka nataony ho tanjaka enti-mampiroborobo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny. Mpahay kanto avy amina karazana kolontsaina samihafa no hanafana […]






