Ela no niketrehana ! “Tafiaradia” an-tsehatra etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra ry Tal sy Rivoglita, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Rivoglita, havanana amin’ny fitendrena gitara sy ny fihirana. Maro rahateo ireo mpanakanto efa niarahany an-tsehatra. Anisan’izany i Bobo Mahavanona. I Tal, mpanakanto manana ny maha izy azy na somary […]
Other News
Kolontsaina sy teknolojia : mangetaheta ny « Silent party » ny tanora
«Rahoviana izy io vao ho tonga sy hihanaka eto Madagasikara ?» Mety efa misy ihany fa any anivon’ny fianakaviana vitsivitsy ! «Silent Party», na ilay fety fandihizana atao anaty efitrano na ankalamanjana, saingy tsy mitabataba be tahaka ny faheno mahazatra ny zavamaneno. Omena «casque» tsirairay ny olona rehetra manatrika ny […]
Mila mitandrina fatratra: nanjary tany be ankamantatra i Madagasikara
« Tany be ankamantatra », hono, i Madagasikara ! Io no ambaran’ireo mpikaroka (malagasy sy vahiny) maro momba ny tantara sy ny fomba. Antom-pisian’ny fomba amam-panao iray, aman-jato taona vao hita ny fototra. Ny ankamaroany aza, tsy tonga hatramin’izay niheveran’ny mpikaroka azy. Maro loatra ny zava-miafina sy ireo mety nafenina… […]
Ramamimampionona Gérard : “Tsy tokony hatahorana ny fifidianana”
“Lasa mihorohoro sy matahotra isika rehefa hiatrika fifidianana. Zava-tsoa sy sarobidy ny fifidianana. Nefa matahotra hiatrika izany isika, indrindra ny aorian’ny fifidianana”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Izay no iantsoany ny rehetra hoe: zava-dehibe ny fampanjakana ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fahamarinana. Ahoana no hahazoana ny hevitry […]
Tontolon’ny fitsarana : tsipahin’ny SMM ny tsindry sy ny fibaikoana ny mpitsara
Namoaka fanambarana, nosoniavin’ny filohany ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), omaly, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa mibaribary sy miitatra ary mikorosy ny asam-pitsarana. Mifanalavitra ny kabary arahin-pehin-kevitra mivoaka sy ny fanapahana raisina, na ofisialy izany na tsia, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny SMM fa nandalo dingana sy […]






