Other News

Judo-Tomokazu Iwahori: mizara traikefa any Toliara

Raikitra ny « Tomokazu Training Camp » ! Fanome­zana fanazaran-tena sy fiza­rana traikefa ataon’ilay Ja­po­ney tsara sitrapo, i Tomokazu Iwahori, miara-miasa akaiky amin’ny federasiona malagasin’ny Judo. Ny ligin’Atsimo Andrefana no misitraka izany voalohany, nanomboka tamin’ ity herinandro ity ary hitohy hatramin’ny 19 marsa ho avy izao. Misy amin’ireo mpikatroka ao anatin’ny ekipa na­sionaly […]

Fifanintsanana Can 2024: nahemotra noho ny olana ara-bola ny fampivondronana ny Barea

Tsy raikitra ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara, saika hataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Misedra olana ara-bola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina, ahafahan’ireo mpilalao avy any ivelany mihazo an’i Madagasikara ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF). Tsy tontosa ny fikasana hampivondrona ireo mpilalaon’ny Barea nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Araka ny vaovao […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy mbola resy teo amin’ny politika izany isika…”

Efa manangasanga ny ha­ha kandidà ny filohan’ny Repoblika ? Nitohy teny An­do­haranofotsy indray ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny vahoaka. Notsiahiviny tamin’izany fa niavaka hatrany ny tenany teo amin’ny fifaninanana natrehany. Nambarany fa efa nanao haiady izy ary torankovitra ny mpifanandrina aminy raha vao miakatra kianja ny tenany. “Tsy sahy […]

Hevitra fa tsy vola !

Anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidiana tanteraka ny Malagasy na efa notaterina ombieny ombieny aza ny fanjavozavoana eo amin’ny fanomanana sy ny mety hisiany na tsia. Ny tiana ifampizarana anio, dia momba ny tena votoatin’izany fifidianana izany. Indrindra fa ny mpiantsehatra fototra : ny hofidina sy ny mpifidy. Zary hifaninanana ny mampidera ny vola […]

Diplaomasia malagasy: tsy mamela mahazo i Rosia

Tsy mahasakana ny fitondrana rosianina hiara-miasa amin’i Madagasikara ny fivadibadihan-kevitry ny mpitondra momba ny ady any Ukraine. Mainka manamafy ny fifamatorana ny roa tonta. Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Ma­dagasikara ny firenena rosianina. Manohy ny fitetezany ireo minisitera stratejika ny lehiben’ny masoivohony eto an-toerana, Andria­matoa Andrey Andreev. Omaly, nihaona tamin’ny minisitry […]