Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha momba ilay sambo rendrika saika hitondra olona antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayotte. Omaly, niampy 11 ny nofo mangatsiaka hitan’ny mpitandro filaminana, tany akaikin’ny Nosy Faly. Vehivavy ny dimy tamin’ireo maty, lehilahy ny efatra raha toa ka zaza kosa ny roa. Ankehitriny, mitotaly 32 […]
Other News
Kivy Ramalagasy !
Mampihoron-koditra ny zava-nisy tany Ambilobe, nahafatesana olona marobe noho ny sambo rendrika. Nanantena fiainana tsaratsara kokoa, kanefa nivadika ho nofy ratsy sy fahafatesana. Hatramin’ny omaly, tsy fantatra mazava ny isan’ny olona niondrana satria ankoatra ny namoy ny ainy voaisa sy ny velona, mbola mahita razana hafa miisa 11 be izao […]
Mahery vaika ny jiolahy : olon-tsotra 32 maty voatifitra
Leo amin’ny afitsoky ny jiolahy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Toamasina. Tafakatra 32 ny namoy ny ainy tanatin’ny telo taona. Vokany, mandrahona ny hampikatso ny famatsiana vary ireto farany. 32 ny olon-tsotra sy mpandraharaha maty notifirin’ny jiolahy, tao Toamasina tamin’ny taona 2021 hatramin’ny 4 marsa lasa teo, araka ny […]
Tsy nety nampiady omby : lasa adala ilay lehilahy voadaroka teo amin’ny lohany
Niakatra fitsarana tao Ambatolampy ilay raharaha anenjehana ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fandratrana lehilahy 38 taona tao Ambohimandroso Gara, distrikan’Antanifotsy. Heloka anenjehana ireto telo lahy ireto ny ratra sy vono niniana natao. Noratrain’izy roa lahy ireto ny mpiara-miandry omby aminy rehefa tsy nanaiky nampiady ny ombiny. Nilatsaka ny didy avy […]
Antsirabe II : lehilahy mpamboly rongony voasambotra
Mamboly sady mivarotra rongony, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tao Bevidy, fokontany Ambatolahimarina, kaominina Ambohimiarivo, Antsirabe II, omaly. Malaza ratsy amin’io asa ataony io, nidina ifotony nitsirika io lehilahy voatondro io ny mpitandro filaminana. Tonga tao amin’ny trano fonenany, nataon’ny zandary fanadihadiana izy. Nosavaina ny tokontany ka sarona tao […]






