Iza izy ? Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan. 42 taona ary manan-janaka telo mianadahy. Anisan’ny sakafo tiany ny ganagana. Fialamboliny ny mozika miaraka amin’ ny gadona mafana “Tropical” sy ny salegy. Tia baolina kitra sy “Box Française”. Anisan’ny nanamarika ny fiainany ka nahafaly azy ny nahatafidirany ho mpiasa ao amin’ny Ivontoeram-pirenena […]
Other News
Fitsarana Antananarivo : tsy misy fandraisana olona anio sy rahampitso
Noho ny fisian’ny fotoam-pitsarana amin’ny fanombohan’ny raharaham-pitsarana, taona 2023, eto amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, ho an’ny firaketan-draharaha : tsy misy ny fandraisana olona anio sy rahampitso, araka ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, teny Anosy, afakomaly. Ao anatin’izany ny fitsarana ambaratonga voalohany rehetra […]
Fampiatoana ny filohan’ny Repoblika : tsy fahefan’ny HCC na ny HCDDED fa an’ny HCJ
“Mihoatra amin’ny anjara asany sy fahefany ny HCDDED. Tsy azy ny manao an’izany, na mandeha any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) aza izy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, afakomaly, momba ny fangatahan’ny depiote 23 tamin’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna […]
Namearison Robert : “Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpanao politika”
Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mihahenjana hatrany ny fifanandrinana politika. Aiza ho aiza amin’izany ny vahoaka? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpitondra na ny mpanohitra” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao […]
Tonga an-tanindrazana… : mitohy ny sehon-dry Mbola, Inah, Mirana ary Fanilo
Maro ireo mpanakanto Malagasy nihodina tany ivelany, nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Angamba kosa tsy nisy nahavita ny nataon-dry Mbola Talenta, Fanilo Poppin’s, Inah ary Mirana, raha ny isan’ny fiakarana an-tsehatra no jerena. Am-polony maro ary tsy nisy herinandro tsy niakarana an-tsehatra izy ireo. saika voatety i Frantsa ary […]






