Other News

Miss Maman : naneho ny tsara avy aminy ny mpifaninana

Tontosa omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM), Antsa­havola, ny filatroana voalohany natrehan’ny mpandray anjara tamin’ny hetsika “Miss Maman Madagascar”. Nifan­di­mby nilatro, naneho ny famoronany avy ny mpandray anjara manodidina ny 30 isa. Anisan’ny fepetra nifaninanan’izy ireo ny fanarahana ny lohahevitra “Comme une reine”. Naneho ny famoronany manokana ny mpifaninana […]

Noho ny tetiky ny mpanjanaka: voky lainga ny vehivavy malagasy

Omaly 8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ». Nankalaza izany ihany koa ny teto Madagasikara. Tsy nanaotao foana ry zareo vahiny nametraka ireny karazana andro hankalazaina ireny fa misy antony ao ! Tangorom-behivavy te­tsy, fihaonan’ny vehivavy teroa… Samy nanana ny endrika nanehoany ny fankalazana ny 8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny […]

Fitohanan’ny fifamoivoizana : 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka

Misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Tombanana 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fitaterana, araka ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Fatiantoka 0,34 % amin’ny harinkarena faobe. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena ihany, ny Renivo­hitr’i Madagasikara laharana faha-134 amin’ireo 150 tanàn-dehibe indrindra. Misy ampahan-dalana […]

AMCHAM : hanome atrikasa ho an’ireo vehivavy mpandraharaha

Hanampiana ireo vehivavy mpandraharaha malagasy hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsena amerikanina, hanatontosa atrikasa ho an’ ireo vehivavy mpandraharaha ny eo anivon’ny American chamber of commerce in Ma­dagascar (AMCHAM). Ha­nampy ireo vehivavy mala­gasy mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena hiditra eo amin’ny tsena amerikana izany. Hianatra ny fomba sy ny fifandraisana […]