Tratry ny angaredon’ireo depiote ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana politika, Liaraike, i Soja Jean André. Mazava ny nambaran’ny depiote isany, Raholdina Naivo sy Voninahitsy Jean Eugène. Samy nitaky ny tokony hametrahan’ Atoa Kaleta fialana, tsy ho isan’ny tandapa intsony ny solombavambahoaka sasantsasany, manoloana ny fanehoan-keviny. “Tena fampiadiana […]
Other News
CIRGN – Antananarivo : nandray ny fibaikoana ny kolonely Randrianarimasy Radosoa
Tontosa omaly ny famindram-pibaikona eo amin’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Antananarivo. Namindra ny andraikitra ho an’ny kolonely Randrianarimasy Radosoa ny kolonely Randrianarijaona Herifidy Jocelyn. Narahina matso nataon’ny zandary tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina izany. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Nanao rodobe teny […]
Miroso tsimoramora !
Raha miteraka resabe ny politika sy ny tontolony eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miroso tsimoramora kosa ny sehatra diplomatika. Manao ranolava ny fihaonan’ireo tomponandraikitra malagasy sy ny lehiben’ny masoivoho vahiny eto amintsika. Tsy sakana tsy hivelarana rahateo ny disadisa politika anatiny. Taratry ny fahavononan’ny firenena vahiny, manohana ny vahoaka malagasy […]
Fikasana hamono an’i Sendra : mitaky fampiharana lalàna amin’ilay vadiny ny fianakaviana
Mbola notanana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka ny vadiny, tetsy Ambohimiandra. Miandry ny valim-pitsarana ny 16 marsa izao, mitaky ny hampiharana ny lalàna ny fianakavian’ilay lasibatra. Niakatra fitsarana, afakomaly, ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka sady nikasi-tanana ny vadiny izay nitaiza kely. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny fitsarana, averina […]
Fidirana an-tsokosoko : misy malagasy miray tendro amin’ireo maorisiana
Mitohy hatrany ny famotorana momba ilay sambokely nitondra teratany maorisianina niditra an-tsokosoko tao Vohémar herinandro vitsy lasa izay. « Misy ny teratany malagasy vitsivitsy ahina fatratra nifandray tamin’ireo olona niditra an-tsokosoko », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Notohizany fa mifandray amina resaka zava-mahadomelina mahery vaika ihany ity raharaha ity. […]






