Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalana migodana «autoroute» ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, ny alakamisy teo. Mirefy 20 km ny lalana efa voasoritra, ataon’ireo fiarabe sy ny fitaovana vaventy. Misy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajain’ny orinasa manao ny asa. Efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasin’ny […]
Other News
Banky Baobab sy Airtel Money: miara-miombon’ antoka amin’ny fampiasam-bola
Miara-miasa amin’ny fomba ofisialy nanomboka ny 2 marsa ny Banky Baobab sy ny Airtel Money. Hampitombo ny fampiasam-bola eto Madagasikara, araka ny tolotra fampiasan’ny Airtel Money ny fifanarahan’ny roa tonta. Fanamby lehibe izao amin’ny fampiasam-bola iarahan’izy ireo. Tsy atao sakana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny firenena izany, amin’ny ankapobeny. […]
Pavillon Analakely : voafidy ho Filoha Atoa Rakotonirina Claude
Vita soa aman-tsara testy amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fifidianana izay ho filohan’ny mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, omaly. Lany nandritra ny latsa-bato, Atoa Rakotonirina Claude. Nahazo vato 195 izy. 106 ho an-dRamatoa Saraha, kandidà nifaninana taminy. 309 no isan’ny mpifidy nadatsa-bato. Nisy telo no nanao vato fotsy. Dimy ny vato […]
Tsy mety foana ny trafika: Sokake miisa 20 tratra tany Fianarantsoa
Manana ny lanjany amin’ny tontolo iainana ny sokake, any Atsimo. Fady ho an’ny mponina, ka ilaina ny fitandroana sy ny fiarovana. Misy ny lalàna miaro ny sokake amin’ny maha biby tsy hita afa-tsy eto amintsika azy. Nisy sokake, karazan-tsokatra sokake (Astrochelys radiata), miisa 20 tratran’ny polisy tany amin’ny kaominina Ankidona […]
Tsenan’ny mozika : kitihin’ny any ivelany ry Takasy Hasy
Mamiratra maneran-tany ny mozika malagasy ! Vao avy nanaporofo izany indray ny tarika Takasy Hasy sy i Vakamiarina, izay nahazo ny laharana fahatelo tamin’ilay « World Music Trophy », notontosaina tany Texas. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, nitantara ny zava-nisy tany an-toerana ny tarika Takasy Hasy ny faran’ny herinandro teo. “Efa maromaro ireo mpikarakara […]






