Other News

Mahaiza misaotra sy mankasitraka

Vita soamantsara ny lanonam-pankasitrahana ny Barea, omaly, teny Iavoloha. Nahazo mari-boninahitra arakaraka ny zava-bita ny rehetra. Mendrika azy ireo ny fihetsika nataon’ny fitondram-panjakana, mifanentana tamin’ny ezaka nataon’ny tsirairay sy ny ekipa. Nitazona ny teny nomeny ny filoham-pirenena. Tsy nanao mizana tsindrian’ila. Nipetraka ho raiamandreny, nampitovy lenta ny ekipam-pirenena sokajy voalohany […]

Vangaindrano : lehilahy voan’ny androbe hita faty

Efa an-taonany nisy aretina “androbe”. Hitan’ny fokonolona faty tao anaty tatatra ny lehilahy iray tao Ankadirano, fokontany Mahavelo, distrikan’i Vangaindrano, ny 6 febroary teo. Niala tao an-tranony handeha hihaza vorona sy haka trondro, tsy hita popoka ity lehilahy ity. Nifampitadiavana, arak’izany, izy saingy tsy nisy nahita ireo manodidina. Ny andron’ny […]

Ambohimahasoa : mpitandrina roa mifampitory

Mipaka hatrany amin’ny fa­ritra ny adin’ny mpitantana fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny pasitera ao Ankafina Tsarafidy, dist­ri­kan’Ambohimahasoa indray no nifampitory ny alatsinainy teo. Nivory tsy ara-potoana noho izany ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao amin’ny dis­trikan’Ambohimahasoa. Ni­ta­ri­­ka izany ny lehiben’ny distrika ao an-toerana, omaly. No­di­ni­hana nandritra izany, ny fitoriana […]

Ambohimanatrika : roa lahy tratra nifoka rongony teo akaikin’ny EPP

Mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina eny amin’ iny faritra Atsimondrano iny. Voasambotry ny polisy ao amin’ny commissariat central Atsimondrano ny lehilahy roa malaza ratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady manendaka ihany koa. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay fitarainana matetika hatrany ny polisy ao Tanjombato amin’ny afi­tsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Mandray zava-mahadomelina avokoa […]