Hotontosaina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jaomanoro, ny 24 febroary ka hatramin’ny 3 marsa izao ny hetsika “Herinandron’i Gabhy”, karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fotoana hampahafantarana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famoahana sy fanolorana ny boky “Gabhy Kintan’ny Kanto”, vela-kevitra momba ny “Ny […]
Other News
Literatiora : mitohy ny hetsika momba ny fombam-pitenenana
Tontosa ny alarobia 1 febroary 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena, ny velakevitra momba ny teny malagasy. Lohahevitra tamin’izany ny hoe “Ny fombam-pitenenana malagasy”, izay novelabelarin’i Sitraka Tanteraka Feno. Hisy foana ny hetsika sahala amin’itony ho fanatrarana ny tanjon’ny fikambanana dia ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalàna mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary […]
Hiditra amin’ny andiany fahatelo…: misokatra hoan’ny talenta marolafy ny “Festival Miaraka”
Rehefa mety ho sokajin-javakanto, hanentanana ireo mpanantalenta avokoa. Izay endrika fiarahana izay rahateo no lalantsaina voizin’ny “Festival Miaraka”… Hetsika hoan’ny forona maroloko, fanao isaky ny roa taona izy ity. Hotontosaina ny 3 hatramin’ ny 8 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny “Festival Miaraka”. Efa nanomboka ny fiantsoana ireo […]
Boriborintany fahaenina: havaozina ny fotodrafitrasan’ny tsena rehetra
Nidina ifotony teny anivon’ny tsenan’Ambohimanarina ny ben’ny Tanàn’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Antananarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” […]
Sasa-miandry ny vahoaka
Dimy andro taorian’ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondrana izay tarihiny dia miandry ny vahoaka any ifotony. Nilaza ny handeha hitety faritra izy, ka handrasana ny tetiandro mahakasika izany. Efa mivoajamala ny tra-boina, izay sady noana no rava fananana. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana, iarahana […]






