Other News

Boriborintany fahaenina: havaozina ny fotodrafitrasan’ny tsena rehetra

Nidina ifotony teny ani­von’ny tsenan’Ambohima­narina ny ben’ny Tanàn’Anta­nanarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Anta­nanarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” […]

Sasa-miandry ny vahoaka

Dimy andro taorian’ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondrana izay tarihiny dia miandry ny vahoaka any ifotony. Nilaza ny handeha hitety faritra izy, ka handrasana ny tetiandro mahakasika izany. Efa mivoajamala ny tra-boina, izay sady noana no rava fananana. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana, iarahana […]

Teo am-pijerena Barea: lehilahy voatafika, maty voatsatok’antsy

Maty voatsindron’antsy teo amin’ny fony ny lehilahy iray, omaly, tetsy Ambalavao Isotry. Nisy nanafika tao an-tsenany izy, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny liona avy any Sénégal. Lehilahy iray, 22 taona tompona tsena fivarotana kojakojam-bisikleta iray etsy Ambalavao Isotry no tra-doza, omaly vao mangirandratsy. Voatsatok’antsy noho ny hetraketrak’ireo jiolahy nanafika […]

Tselatra

Olona telo, avy amina ankohonana iray, naratra nilatsaham-potaka tao Volahotro, fokontany Ambalavao, Kaomi­nina Morafeno, distrikan’Ambohimahasoa ny faran’ny volana janoary teo. Tao anatin’ny ora-mikija, nirefotra tampoka ny varatra. Niditra tao an-tokantranon’izy ireo. Vokany, naratra ny telo mianaka ka nentina namonjy hopitaly. Tsy nisy ahina ny ain’izy ireo.

Halatra varira: Zazavavy sivy taona lasan’ny dahalo fito lahy

Tsy mety foana! Lasan’ny dahalo fito lahy nirongo fitaovam-piadiana indray ny zaza varira iray tao Ampitsapitsa, anatin’ny kaominina ambanivohitra Loafary, distrikan’i Van­gaindrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 31 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy io zaza io ireo dahalo tamin’ny 02 ora sy sasany maraina. Tsy nisy fanazavana, […]