Other News

Herisetra amin-jaza… Lehilahy iray nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy niatrika mpitsara mpanao famotorana ny lehilahy iray voatondro ho nanolana ankizivavikely. Tao Amboasary Atsimo no nitrangan’izy  ity. Andro vitsy mialohan’io, tonga teny amin’ny biraon’ny polisy ny havan’ilay zaza 11 taona. Nitaraina fa naolana lehilahy 53 taona ny zanany ary mpiara-monina aminy ihany ilay voalaza […]

Ambohimalaza… Jiolahy miisa sivy nidoboka am-ponja

Manampy isa ireo andian-jiolahy naiditra am-ponja vonjimaika ireo olon-dratsy voasambotra teny Ambohimalaza sy ny manodidina ny herinandro teo.  Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo jiolahy voasambotra teny Ambohimalaza ny herinandro teo. Isan’izany ilay lehilahy voatondro ho nanolana ankizivavikely 12 taona. Ao koa ireo andian-jiolahy mpamaky trano eny amin’iny […]

Trafikana taolam-paty… Olona efatra voasambotra

Saron’ny polisy ao Mahanoro afak’omaly ireo efa-dahy voalaza fa saika hanondrana taolam-paty tao an-toerana. Nahazo fanampim-baovao mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Araka izany, napetraka ny paik’ady rehetra ka namafisina ny fisafoana ny fiara, ny lakana ary ny olona mivezivezy ao an-toerana. Vokany, nahatsikaritra lehilahy miisa efatra nilanja gony […]

Tsy mijanona ela any am-ponja… Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy tarihin’i Allh Kaidà

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, tarihin’ny Kly Ranaivoarison Théodule, ny tambajotran-jiolahy roa samihafa, ny alatsinainy sy talata teo. Fantatra fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Tanamakoa, Tanambao fahadimy, Salazamay ry zalahy ireto, tahirin’i Darilisy (Allh Kaidà). Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ilay teratany frantsay sy ny vady […]

Tselatra

Torana tao anaty taxi-be ny masera iray teny Tanjombato omaly. Tsy fantatra izay nahazo azy fa izy tsy nahatsiaro tena teo ambony seza no nahataitra ny olona tao anaty fiara. Nentina nihazo toeram-pitsaboana izy avy hatrany izy. Renim-pianakaviana iray maty nihotsahan’ny trano afak’omaly alina tao Manakambahiny andrefana, Ambatondrazaka. Naratra mafy […]