Mitaky rafitra manokana mba hisahana ny varotra sy ny fanjifana ireo sendika sy vovonana eo anivon’ny departemanta. Maniry ny hitovy lanja amin‘ny mpiasam-panjakana rehetra ireo teknisianina eo anivon’ny ministera raha mieritreritra hanova ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpitondra. Noho izany, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Analakely izy ireo ny zoma […]
Other News
Ora-mikija: tapaka tanteraka ny lalampirenena fahefatra ( RN4)
Araka ny tatitra natao nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 18 janoary teo, nihazakazaka ny fahasimban’ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’ny nahatonga izany ny tsy fanajan’ny mpitatitra ny fetran’ny lanjan’entana tokony hoentiny. Manampy trotraka koa ny vokatry ny ora-mikija amin’ny vanim-potoana toy izao. Maro ny lalana tapaka. Nokaohin’ny rano ny lalam-pirenena […]
Efa noravaravana: tratra tao an-tranon’ireo jiolahy ny moto halatra
Mirongatra ny halatra moto ao Toamasina amin’izao. Telo lahy no indray saron’ny polisy tao an-toerana afakomaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nisehoana halatra miharo vaky trano tao amina tokantrano iray ao Toamasina. Jiolahy maromaro no tompon’antoka tamin’izany. Entana maro samihafa […]
Takaitra navelan’ny Rivodoza : mifanome tanana amin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana
Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto Madagasikara. Mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandary amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana, toy izay efa fanao isaky ny misy rivodoza na ranobe miakatra. Tafiditra ao anatin’ny action civilo-militaire ataon’ireo miaramila, mba hanakaikezana hatrany ny vahoaka izany. Vokatry ny ora-mikija, […]
Fanondranan’olona antsokosoko: olona valo naiditra am-ponja
Ravan’ny zandarimariam-pirenena ao Nosy Be ireo andian’olona saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Mbola misy ireo karohina sy voasaringotra amin’ity raharaha ity. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotry ny zandarimaria tao Nosy Be raha saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Voasambotra ny 14 janoary teo izy ireo […]






