Nifarana ny asabotsy lasa teo, tany Congo Brazzaville ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly, taranja handball “IHF Trophy”, sokajy U18 sy U20 zazalahy. Tsy niveri-maina ny Akio de Madagascar, teo amin’ny sokajy “junior” fa nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (CAHB), ho an’ny ekipa malagasy ny amboara “Fair-Play”. Noho ny fomba filalao madio […]
Other News
Volley – CCC zone 7: tsy haka “renfort” ny GNVB lehilahy
Tsy haka mpilalao ivelany ny GNVB (Gendarmerie Nationale Volley-Ball) lehilahy, mandritra ny fiadiana ny CCC zone 7. Raha ny angom-baovao voaray, seleksiona avy amin’ny GNVB 1 sy GNVB2 no handrafitra ny ekipan’ny Zandarmaria amin’ity andiany 2023 ity. Lalao izay tsiahivina fa hatao atsy amin’ny Nosy Maorisy, ny 23 febroary hatramin’ny […]
Tenisy – «Open d’Australie» : misongadina i Novak Djokovic
Notanterahina omaly alatsinainy 23 janoary teo, ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fifaninanana taranja Tenisy “Grand Chelem Open d’Australie” any Melbourne. Mamiratra sy higagan’ny olona rehetra any an-toerana ny zava-bitan’i Novak Djokovic, mpilalao Serba. Lavony tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/2, 6/1, 6/1) i Alex De Minaur, mpilalao Aostralianina. Marihina fa […]
«Chan 2022»-Barea 3-0 Soudan: tafita amin’ny ampahefa-dalana ny Barea
Manohy ny diany any amin’ny dingana ampahefa-dalana ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan Algerie 2023”. Resin’i Madagasikara teo amin’ny andro fahatelo sady farany i Soudan. Nanakoako tao amin’ny kianja Mohamed Hamlaoui Algerie, indray ny lazan’ny Barea, omaly alatsinainy. Tafita […]
Fitendrena “Orgue”: hiaka-tsehatra i Miravo Ramarolahy
Hotanterahina eny amin’ny EKAR Faravohitra, ny tolakandron’ny talata 24 janoary 2023, ny “135ème Classique de Midi”. Hetsika karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Mandray anjara amin’izany ireo andrarezin’ny fitendrena zava-maneno klasika. Isan’izany i Miravo Ramarolahy. Seho goavana eo amin’ny tontolon’ny fitendrena zava-maneno klasika no ho hita eny an-toerana amin’io fotoana io. Hanakoako eny […]






