Vaovao mahafinaritra no nomen’ny Alliance Française Madagascar ny mpanaraka azy sy ny mpankafy sarimihetsika ao anatin’izao taona vaovao izao. Naverina indray ny hetsika “Cinem’alliance” raha tsy nisy nandritra ny 4 taona teo ho an’ny teto Madagasikara. Ny tolakandron’ny Alarobia sy ny asabotsy no fanatanterahana ny hetsika tamin’izany. Ho an’ity fiverenany […]
Other News
Fakafaka: Mila mailo tanteraka !
Fa misy inona ? Tsikaritra ho midina andro aman’alina ny fahaizan’ny Malagasy mandray zavatra. Ilay saina mahataka-davitra fahiny mihitsy no mitambotsotra tsikelikely, ankehitriny. Vokatry ny fanabeazana tsy mandeha amin’ny laoniny sady tsy mifanentana amin’ny kolontsaina malagasy no niteraka io olana goavanabe any amin’ny fiarahamonina io. Raha manao ho zava-dehibe ny hasin’ny […]
“Raharaha Omda”: “Avelao handeha ny fanavaozana”, hoy ireo ivelan’ny sendika
Tantara mitohy. Nahatsiaro tohina ka naneho hevitra koa ireo mpanakanto mpikambana ao amin’ny Omda, saingy tsy miara-dia amin-dry Rossy. Samy ny ivoahan’ny volan’ny zon’ny mpamorona malaky ihany anefa ny tanjon’ny roa tonta… Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra. Anjaran’ireo mpanakanto tsy mitovy hevitra amin’ireo mpitarika ny sendikan’ ny kanto indray no nampiantso […]
PDCM – Rapetera Désiré : “Ilaina apetraka ny fahamarinana”
Tsy handroso isika raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, araka ny fehin-kevitry ny antoko Politika demokraty kristianina (PDCM). “Entanina ny vahoaka hanaja ny fitsipika sy ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohany, Rapetera Désiré teny Antsahalovana, ny asabotsy teo. “Mba hisorohana ny korontana, ndao hihavana sy hifampiresaka alohan’ny fifidianana”, hoy […]
Rajaonarimampianina Hery : “Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ny vahoaka”
“Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ary eken’ny rehetra ny vahoaka malagasy mba hialana amin’ny hala-bato sy ny hosoka. Satria aoka hazava fa raha vao fifidianana tsy madio no misy eo amin’ny firenena, korontana no hisy aorian’izay”. Izay no anisan’ny kabarin’ny filoha teo aloha, filoha mpanorina ny antoko HVM, Rajaonarimampianina […]






