Vondrona afrikanina : Tsy afaka ny sazy raha tsy vita ny fifidianana

Nandray ny ambasadaoro izay iraka manokana eto Ma­dagasikara, i Mohamed Idriss Farah, ny filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), i Mahmoud Ali Youssouf, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Nitondra fanazavana ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara, amin’izao, tamin’ny filohan’ny Vaomie­ran’ny UA ny ambasadaoro. Nanantitrantitra ny fahavononan’ny tomponandraiki-panjakana eto Madagasikara hizotra amin’ny fifampidinihana politika sy azo itokisana, miaraka amin’ny fifampidinihana malalaka amin’izao fotoana izao. Nasiany teny koa ny tondro ara-toekarena izay mampahery tato anatin’ny telo volana nitantanan’ny fitondram-panjakana amin’izao. Soso-kevitra narosony ny hananganana vondrona ifandraisana amin’ny andrimpanjakana eto Madagasikara.
Nankasitrahin’ny filohan’ ny Vaomieram-pirenena UA izay fifandraisana izay, ary nohamafisin’ny UA ny fomba fiasa sy ny fivoarana politika eo anivon’ny vondrona. Miom­pana amin’ny fanajana ny vahaolana tarihina sy aroson’ ny Malagasy izany, miaraka amin’ny UA izay manohana sy manome tantsoroka ny fire­nena. Amin’ny alalan’ny dip­laomasia fisorohana mialoha sy ny fanelanelanana ho amin’ ny fiverenana tanteraka amin’ ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Eo koa ny fanohanana ny fiaraha-miasa maharitra avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana, hanohanana ny fitoniana ara-toekarena sy ny fampandrosoana.
Na eo aza izany rehetra izany, mitoetra mandrakariva ny sazy fampiatoana ny maha mpikambana an’i Madaga­sikara eo anivon’ny UA, mandra-pahavita ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: