Vondrona Irmar: Miandrandra fandaminana politika

Maromaro ireo fitsidihana sy fihaonana nataon’ny iraky ny sehatra iraisam-pirenena, ny herinandro teo, ho amin’ny fikaroham-bahaolana. Naneho ny heviny momba izany ny avy amin’ny Irmar.

Naneho ny heviny ny filoha lefitry ny mpanohitra eny amin’ny Antenimie­rampirenena, ny depiote Mila­vonjy Philobert, avy amin’ny vondrona Irmar. Nambarany fa hisy fiantraikany sy dikany lehibe amin’ny firosoana amin’ ny fanohizana ny fandami­nana ny fiainam-pirenena ireny fandalovan’ny iraka iraisam-pirenena teto amintsika ireny. Nosinganiny manokana ny avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Moha­med Idriss Farah. Namangy sy nitsidika ny filohan’ny An­tenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalo­manana Ri­chard, sy ny depiote/minisitra teo aloha, Sahondra­ri­malala Marie Michelle, teny amin’ny fonja ihazonana azy ireo vonjimaika, ny herinandro teo, ity iraka ity. Nandray sy nihaino ny fanazavan’ireto mpanao politika any am-ponja ireto izy tamin’izany. « Fanen­jehana ara-politika ny tena anton’ireny fihazonana am-ponja ireny », hoy ny depiote Milavonjy Phi­lobert.

Zava-bitan’ny filoha Rajoelina
Nanteriny fa manaraka ny tena zava-misy marina eto Madagasikara ny UA sy ny Sadc ka nilazany fa ny fanarahana ny fepetra, takin’ny Fia­nakaviambe iraisam-pirenena ihany no hany ahafahana miroso mankany amin’ ny fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra.
Nohitsin’ity lehiben’ny mpanohitra ity koa fa mbola ny zava-bitan’ny filoha Ra­joelina avokoa izao tokanan’ ny filohan’ny Fanavaozana izao. « Midika izany fa ma­nohy ny ezaka sy ny asa na­taon’ny teo aloha ny mpitondra. Tsy zava-baovao izany fa fitohizan’ny fitantanan-draharaha aminay. Tena misy ny fotodrafitrasa vitan’ny teo aloha », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: