FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny antony nitondrany basy ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny fidinana ifotony nataony. Nambarany, tamin’izany, fa nandeha tany amin’ny faritra mena izy ireo, toy ny tany Soa­lala sy Besalampy. « Iray ihany ny angidimby azo nen­tina noho ny fitsitsiana, mpiambina iray ihany no zaka ka tsy maintsy nitondra basy », hoy izy.
Nanitrikitrika ny talen’ny serasera eo anivon’ ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rolly Mercia, ary nanontany. Naninona ny Vondrona afrika­nina sy ny Sadc tsy mba namangy azy. « Nigadra nandritra ny dimy taona aho ary nivandravandra be izao fa gadra politika koa aho ary tsy nisy heloka nataoko nefa tsy mba hita ny sehatra iraisam-pirenena », hoy izy.
Mitaky fotoana ny fanavaozana lalina, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, Kly Ran­drianirina Michaël, raha nihaona tamin’ireo mpianatry ny Oniver­site Mahajanga. Nambarany fa tsy ho tanteraka ao anatin’ny roa na telo taona izany. « Aoka isika mpianatra ho tomponandraikitra, ho mailo ary ho matotra hiarovana ny hasin’ny tolona », hoy izy.
Nandray ny iraky ny ONU misahana ny fifidianana, i Simon Pierre, ny filoha teo aloha, Ravalo­manana Marc, omaly, teny Faravohitra. Nambaran’ny mpanorina ny Tim fa ilaina ny hevitry ny rehetra. Nan­teriny fa mpikambana ao amin’ny ONU i Madagasikara ka tsy afa-miala amin’ny iraisam-pirenena. « Anja­ran­tsika ny miezaka mba tsy hiankinandoha », hoy izy.

Partager sur: