Fiandrasan-draharaha (service minimum) izao ny ataon’ny QMM any Taolagnaro. Fepetra noraisina ho fiarovana ny ain’ireo mpiasa sy mpiara-miombon’antoka aminy ao amin’ny toeram-pitrandrahana any Mandena. Tsy maintsy noraisina izany fepetra fiandrasan-draharaha izany taorian’ny fametrahan’ny andian’olona sakana amin’ny làlana mihazo ny toeram-pitrandrahan’ny QMM any Mandena ka tsy ahafahana miasa am-pilaminana. Araka izany, […]
Other News
Kitra – Mondial 2026 : nakarina ho 48 ny mpifaninana
Namaly ny fangatahan’ ireo firenena maniry ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial” ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Arakaraka ny kaontinanta ny isa firenena handray anjara izany. Nandritra ny fivoriambe tany Qatar, ny alakamisy teo, tapaka fa hakarina 48 ny mpifaninana amin’ny Mondial 2026. Hitombo, […]
Nanahirana ny fitsarana : fantatra ny hiatrika ny famaranan’ny “Slam national” andiany faha 13
Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny naoty sy ny anaran’ireo hiatrika ny famaranana, ny asabotsy 3 desambra 2022, eny amin’ny “Institut Français de Madagascar” na IFM. Miisa 7 ireo hiatrika izany famaranana izany, ahitana ny solontenan’ny Antananarivo, Toliara, Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga. Ny «Festival international de Slam Poesie» andiany faha13 […]
Basikety : hamarana ny taona 2022 ny ligin’Analamanga
Hiavaka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2022, amin’ ity ho an’ny ligin’Analamanga ny basikety. Hisy ny hetsika karakaraina ny 10 sy 11 desambra izao eny amin’ ny kianja an’Ankaso, hahitana fifaninanana maro samy hafa amin’ny sokajy sy sehatra isan-karazany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Andriatsima Hery, tetsy Mahamasina, omaly. Hiseho amin’ny […]
Hanao seho any Sambava: tonga i Grand P, tsy nentiny i Eudoxie, vadiny
Tsy nandainga izy sy ny mpikarakara… Maro ireo tsy nino, saingy efa eto Madagasikara kosa i Grand P amin’izao. Mikasika izay hataony kosa, ny mponin’i Sambava no ho tsara vintana hahita izany. Tsy honohono fa tonga eto tokoa i Grand P! Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly antoandro, ity mpanakanto […]






