Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana […]
Other News
Migadra ny mpanao sonia: tsy ampy solika, mihamafy ny delestazy
Taorian’ny fampidirana am-ponja ireo tale tao amin’ny Jirama, tsy misy intsony ny mpanao sonia. Mihitsoka ny taratasim-bola tokony hakana solika. Vokany, mihamahery vaika ny delestazy. Sempotra tanteraka! Vao mainka tena mahery vaika ny faharetan’ny fahatapahan’ny herinaratra na delestazy, indrindra nanomboka ny alakamisy 1 desambra teo. Tsy adiny roa araka izay […]
Lasa ny vidin’entana: mpivaro-mandeha voatifitry ny jiolahy
`Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy ny mpivaro-mandeha iray tao amin’ ny fokontany Anivorano, kaominina ambanivohitra Zafindrafady, distrikan’i Vohipeno ny 01 desambra teo. Teny an-dalana, narahin’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana ity. Norobainy tamin’izany ny vola. Tsy vitan’io, nikasa hiaro tena ilay mpivarotra ka notifirin’ireo jiolahy. Voa tamin’izany, ny felatanany […]
Mpangalatra finday: nilaza ho nirahin’ny kalanoro
Saika niala hatramin’ny mahalehilahy! Niditra tao amina tsena iray tao Ambatondrazaka renivohitra ny mpangalatra iray, omaly tolakandro. Somary variana ny tompon-tsena ka nofaohin’ity lehilahy ity ny finday raitra niranty. Tsikaritry ny olona anefa ny fivoahan’ity olon-dratsy ity. Nitondra ny finday raitra, nifanotofan’ny daroka nataon’ireo olona manodidina izy. Nentin’ny hatezerana, efa […]
Fitsaram-bahoaka: mpangalatra roa lahy maty voadaroka
Naratra mafy vokatry ny daroky ny fokonolona, maty tsy tra-drano ireo mpangalatra roa lahy tra-tehaka tao Ambohibary, kaominina Ambodirina, distrikan’Antanifotsy, omaly maraina tamin’ny 02 ora. Tsy nanampo ny fisian’ny mpiambina, raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpangalatra sy ireo tompon’entana nangalarina. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’ izany ny kisoa, vorono ary hatramin’ny dokotra. […]






