Mbola ady tsy vita? Na tantara mitohy ny amin’ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha 56… “Tsy mpiasa an-trano izahay mpirakidraharaha fa nanao fifaninanana ara-dalàna, ary nahavita fianarana ny ankamaroanay, nandalo fianarana asa…”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, afakomaly, manoloana ny fanamarinan’ny depioten’i Soalala fa ara-dalàna ny […]
Other News
Fanararaotana eo am-panaovana ny asa: toherin’ny OJM ny tsindry amin’ny mpanao gazety
Tsy manaiky karazana tsindry sy ny ramatahora. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ireo mpanao gazety miisa roa tafiditra amin’ny raharaham-pitsarana. Notsiahivin’ny fanambarana ny lalàna momba ny haino vaky jery, maneho fa miaro ny mpanao gazety amin’ ireo fanitsakitsahana sy fanararaotana mahazo azy ireo eo […]
Fahataran’ny karama – Antenimierandoholona: nampikatsoan’ny mpiasa ny fandinihana ny tetibola
Resa-bola ! Tsy tanteraka hatramin’ny omaly tolakandro ny fandinihan’ireo loholona ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 noho ny fitokonan’NY mpiasa. Nitokona tsy nety nanatanteraka ny asany ireo mpiasan’ny Antenimierandoholona, etsy Anosy, omaly. “Tsy mbola nandray ny karama izahay raha efa nahazatra ny fahazoana izany isaky ny faha-25 amin’ny volana itsahina”, […]
Nandoro kodiarana ny mponin’Itaosy sy Ampefiloha
Efa ho lava, naneho ny hatezerany teny an-dalambe ny mponina tetsy Ampefiloha sy Itaosy, omaly hariva. Leo ny fahatapahan-jiro matetika, nanakan-dalana mihitsy izy ireo. Tsy nionana tamin’ny fanakanan-dalana fa nandrehitra kodiarana teny amin’ny arabe izy ireo. Nataon’izy ireo hanairana ny fitondram-panjakana ity fihetsika ity. Ho an’ny tetsy Itaosy, tsy afa-nandeha […]
Jery taratra…
Lalàna… ifampitokisana Miverina amin’ny laonina ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 amin’izao volana desambra izao. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy misy karama, rehefa tsy misy asa. Niteraka resabe ny fanoharana ny mpirakidraharaha ho toy ny mpiasa an-trano amin’izany. Misy ny fanangonan-tsonian’ny depiote amin’ny tsy fenekena izany, fa samy mpiasam-bahoaka […]






