Nohainoina teo anivon’ny fampanoavana tao Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly, ireo olona roa voarohirohy tamin’ny vono olona tetsy Ankadikely Ilafy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana iray voatsatok’antsy ireo olona ireo ka anisan’izany ilay sakazain’ilay namoy ny ainy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoan’ireo tsy mataho-tody an’io raim-pianakaviana io. Noleran’izy ireo […]
Other News
Nilalao teo an-davarangana: Roa maty, iray naratra nilatsaham-potaka
Misesisesy ny olona maty nilatsaham-potaka tato ho ato. Ankizilahy miisa telo, indray lasibatr’izany, tany Bemahatazana, Tsiroanimandidy, afakomaly hariva. Maty ny roa, mbola manaraka fitsaboana ny iray. Nirefotra mafy sy namono olona indray ny varatra tany Atsimombohitra, fokontany Bemahatazana I, kaominina ambanivohitra Bemahatazana, disitrikan’i Tsiroanimandidy, faritra Bongolava, afakomaly tokony ho tamin’ny […]
Soccer Camp : Tonga hanofana i Farinha sy i Fernandes
Nigadona eto Madagasikara, ny alarobia lasa teo, ireo teknisianina portugais amin’ny baolina kitra, i Guilherme Farinha sy i Rui Fernandes. Anton-dian’izy ireo ny hampiofana mpanazatra sy ankizy, fiaraha-miasa amin’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Niatrika avy hatrany ireo mpanazatra miisa 25 teny amin’ny Complexe sportif Ambatolampy Tsimahafotsy sy Betongolo izy […]
hIsantarana ny taona 2026: Hamoaka ny “Aza mifanambany” i Désiré
“Aza mifanambany”, io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré nandritra ny telo volana. Rakitsary sy feo isantarany ny taona 2026. Amin’ny ankapobeny, mpanakanto mivoy ny gadona tropikaly ity zanak’i Mananara Avaratra ity. Narindrany amin’ny gadona “coupé décalé” ny “Aza mifanambany”. Fanatanterahana ilay hoe: “Ny mpanakanto no mpitondra ny hafatry ny vahoaka, […]
“RDJ Mozika 2025”: Sokajy 22 no hifaninanana
Hiverina ny fankasitrahana izay ho “Mpanakanton’ny taona 2025”. Io ny mari-pankasitrahana ambony indrindra, izay vaovao lehibe nivoaka nandritra ny fampahafantarana ny hetsika “RDJ Mozika 2025”, omaly, tetsy amin’ny City Art Ivandry. Ankoatra izay, hisy 22 ny sokajy hifaninanan’ireo hira nofantenana amin’ity andiany ity. Hotontosaina ny 21 febroary izao ny lanonana […]







