Other News

Federasionin’ny basikety : Feno ny fandaharam-potoana

Nivoaka ary feno tanteraka, taorian’ny fivoriambe ny alarobia teo, ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hisan­ta­rana izany ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “World Cup 5×5” Se­niors hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao. Efa anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Lapan’ny […]

Handball : Nofoanana tanteraka ny CCCOI 2025

Notapahin’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) fa foana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2025), natao tany Toamasina. Ny fahasimban’ny Kianja mitafo, noho ny rivodoza no antony. Andrasana amin’ny fotoana manaraka ny ho tohiny. Vokatry ny fahasimban’ny Kianja mitafo ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Nijery ifotony ny fahavoazana nihatra tamin’ny voly sy ny fiompiana ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Alaotra Mangoro. Nanotrona azy ireo ihany koa ny avy ao amin’ny Tetikasa RizPlus, anisan’ny miasa any an-toerana. Anisan’ny tena nojerena ny mahakasika ny fiantraikan’ny rivodoza Gezani, indrindra ny vary, hamantarana […]

Stanford Seed Transformation Program: Hampivelatra ny orinasa malagasy maneran-tany

Vonona hanohana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ny  Oniversiten’i Stan­ford, any Etazonia, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Stanford Seed Transformation Program (STP). « Tanjona ny hanampiana ny orinasa eto an-toerana amin’ny alalan’ny fiofanana hahafahany manitatra ny sehatrasany sy mampivelatra ny fandrahaharany », hoy ny solontenan’ny STP, Davis Albohm, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa tetsy amin’ny […]

Dingadingana : Nohavaozina ny fitrandrahana

Nohavaozina ny fitrandrahana dingadingana sy drakaka mba hiantohana ny fitantanana taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena manga sy ireo mpisehatra. Voafaritra tao anatin’izay fa « mikatona ny taom-panjonoana manomboka ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 marsa. Nofaritana ihany koa ny haben’ireo hazandrano azo jonoina ireo. Rarana ny fampiasana ny bouteille de plongée  ary […]