Nampihetsika avy hatrany ny drafitra vonjy taitrany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Mila haverina amin’ny laoniny haingana ny zotram-pitaterana rehetra. Notombanana ara-teknika ny zavatra simban’ny rivodoza Gezani. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitra MTM, Raharisone Juste […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho talen’ny birao misahana ny Fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Me Rakotoanosy Raolidina Mampionona Olivier, nisolo ny Kly Rakotomamonjy Patrick. Lehiben’ny faritra vonjimaika any Alaotra Mangoro kosa, Rabemananjara Elire, raha ho an’ny any Fenoarivo Atsinanana, i Tody Arnaud. Anio vao hiverina hiasa ny mpiasa rehetra any Toamasina, […]
Fikaonandoham-pirenena : Hizara traikefa momba ny federalisma i Alemana
Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Razafimanantsoa Hanitra, ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’i Alemana, i Olivier Knoerich, omaly. Nivoitra, tamin’izany, fa mijanona ho mpiara-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ ny sehatra ara-politika i Alemana. Naneho fahavononana ny masoivoho amin’ny hanohanana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. « Afaka mandefa manam-pahaizana momba […]
Tsy fotoan’ny fanararaotana
Iarahantsika rehetra mahalala ny takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, namango an’i Madagasikara. Nahery ny fiantraikany teto an-tanàna. Maro sy mavesabesatra ihany ny faharavana navelany ho an’ny vahoaka malagasy. Potipotika ny tanàna, tsy tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany, fa nahazo hatrany amin’ny faritra samihafa nolalovany. Raha ny tao Atsinanana […]
Fivondronamben’ny eveka : “Mila asa mivaingana ny fanampiana traboina”
Voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny Faritra Atsinanana. Miantso fanampiana ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy anaovan-teny fotsiny, fa asa mivaingana hita maso… “Ny fotoana toy izao indrindra no ifanohanana sy tsy anaovan-teny fotsiny, fa anaovana asa mivaingana hita maso hiaraha-mizaka izay manjo amim-pitiavana. Izany firaisankina izany àry no […]







