Other News

Fandaminana ny firenena : Mitaky ny fahefan’ny fokonolona ny Antoko MFM

Nanamarika ny faha-53 taonany ny antoko MFM, naorin-dRakotonirina Manandafy. Natao tetsy Ankasina, ny herinandro teo, izany. Nitondra tolo-kevitra maromaro handaminana ny firenena tsy hiverenan’ny krizy izy ireo. «Havadika ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, hahafahan’ny fokonolona mandray an-tanana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony», hoy izy ireo. Hapetraka ny la­làmpanorenana […]

TSELATRA

Naratra nianjeran’ny tamboho ny mpandalo iray teny Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy 31 janoary teo. Olona telo maty taorian’ny fivadihan’ny kamiao tao Andrenarivo Ambinanindovoka, kaominina Ambalavao, ny marain’ny sabotsy 31 janoary teo. Tovolahy vao erotrerony, mpianatra, hita faty tao anaty rano tsy lavitra ny tohodrano ao Andrainjato, afakomaly.

Nifatratra tamin’ny fiara : Mpitondra kodiaran-droa namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny sabotsy 31 janoary 2026, tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro. Niseho teo amin’ny PK 63 + 500, Talakimaso, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrika Ambatolampy, ny loza. Nidofitra mafy tamin’ny fiara iray, sprinter mpitatitr’olona, ny kodiaran-droa marika France Rider notaingenan’olon-tokana. […]

Fanafihan-jiolahy : Tokantrano roa voaroba 17 tapitrisa Ariary

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano miisa roa tao amin’ny kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo, tamin’ny 11 ora. Lasa ny vola an-tapitrisany. Lasan’ny olon-dratsy ni­tam-basy ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar tao amin’ny tanànan’Antsampa­nimahazo Avaratsena, fokontany Avaratrakolahy, kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy 31 janoary teo. Na­se­sin’ireo tsy […]