Fandaminana ny firenena : Mitaky ny fahefan’ny fokonolona ny Antoko MFM

Nanamarika ny faha-53 taonany ny antoko MFM, naorin-dRakotonirina Manandafy. Natao tetsy Ankasina, ny herinandro teo, izany. Nitondra tolo-kevitra maromaro handaminana ny firenena tsy hiverenan’ny krizy izy ireo.

«Havadika ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, hahafahan’ny fokonolona mandray an-tanana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony», hoy izy ireo. Hapetraka ny la­làmpanorenana mifototra amin’ny fanjakana tokana, otronin’ny faritra masi-mandidy. Homena fahefana mpanapaka ara-politika sy ara-pihariana mifanandrify amin’ny filany ny faritra, hahafahany mampandroso ny ao aminy, araka ny hevitry ny « Mafana ». Omena hasina koa ny antoko politika mba tsy ho olona kisendrasendra intsony no hitantana ny firenena. « Olona voaofana sy voataiza ary voavolavola ara-politika. Apetraka, noho izany, ny satan’ny antoko politika, ny fampiasam-bola amin’ ny fifidianana mba hangarahara ny loharanom-bola sy voafehy araka ny lalàna ny fampiasana azy », hoy ny MFM. Ampirisihin’izy ireo ny tanora hiantsehatra anaty antoko politika mba handranitana ny kolotsaina politika ka hampianarana azy ireo, hananany traikefa eo amin’ny sehatra politika momba ny fitondrana sy fomba fitantanana ny firenena. Maniry ny MFM ny ha­no­kanana toerana manokana amin’ny alalan’ny fifidianana ho an’ny tanora sy ny raiamandreny, manomboka eny amin’ny fokontany, kaominina, faritra, Antenimiera…

Fanjakana alaina amin’ny basy…
Momba ny Foloalindahy kosa, tokony ho faritana sy hapetraka mazava ny dingana vaovao hizorana sy hiandraiketan’izy ireo mba hifandraika amin’ny fanovana sy ny fiovana mifanindran-dalana amin’ny demokrasia. Hentitra ny MFM fa tokony harodana tanteraka hatrany ifotony ny rafitra niteraka hala-bato ka soloina rafitra vaovao, olona vaovao, lalàna vaovao mba hahatongavana amin’ny fifidianana marina, mahitsy, eken’ny re­he­tra ao anatin’ny teny ierana. « Hajoro izany mba hilaminan’ny tany sy ny fanjakàna any aoriana ka tsy hisy intsony ny fanjakana alain-defona sy basy ary tafondro », hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: