Other News

Tongoloina : Hadihadiana ny antony nahasimba ny tohodrano

Nisy fahasimbana vokatry ny orambe ny tohodrano Tongoloina eny Ampahitrosy Atsimondrano, ny 25 janoary teo. Hanamarina ny asa nananganana ny tohodrano eny Ampahitrosy Atsimondrano ny Antokondraharaha mpandrindra ny tsenambaro-panjakana (ARMP). Voalaza fa tsy hisy ny famindram-po amin’ny fanaovana kitoatoa ny asa. Araka ny antontan-kevitra niomerika ananan’ny ARMP, mitentina 1,650 miliara […]

Fanaingana toekarena-Fianarantsoa : Omena lanja ny fandraharahana ara-pamokarana

Manan-danja any amin’ireo faritra ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny fambolena sy ny fiompiana. Hampiroboroboana ireo sehatr’ireo, entina hanaingana indray ny toekarena. Natao ny 22 sy 23 ja­noary teo, ny Dinika ho fanaingana ny toekarena tany Fianarantsoa, ho an’ny faritra Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsimo Atsina­nana, Vatovavy Fitovinany ary Matsiatra Ambony. Na­pe­­tra­ky […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Vondrona afrikanina (UA), araka ny nambaran’ny lehiben’ny iraka, Mohamed Idriss Farah. Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Maha­zoarivo izy ireo, omaly. Niaiky ny roa tonta fa ilaina ny fitoniana eto amin’ny firenena. Hanampy amin’ny fifidianana koa ny UA. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny antoko Fy-M, […]

Firaisamonina Mahitsy Fijery : « Takinay ny fanovana hatrany ifotony…

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Analakely ny firaisamonim-pirenena Ma­hi­sy Fijery, omaly. Namba­ran’ ny filoha mpanorina, Ravololo­manana Lalatiana, tamin’izany, ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena. Nametra-panontaniana avy hatrany ny tenany. «Fa­novana sa fanavaozana no hatao? Mitaky izahay ny fanovana hatreny ifotony. Hiady mafy ho amin’ny fametrahana izany izahay», hoy izy. […]

Manomboka sahady  

Somary sadaikatra ihany hanao ny fifampizarana mahakasika ny fanaovana politika, ankehitriny. Mbola tsy nierina akory ny taona dia efa miseho sahady ny adin’ny samy goavana. Mahavariana ny don-tandroka amin’ny endriny samihafa. Baikoin’ny tombontsoan’ny tsirairay ka manadino ny tolona natao teny an-kianja, ho an’ny taninjanaka. Asa! Efa voaongana tokoa ve ny […]