Firaisamonina Mahitsy Fijery : « Takinay ny fanovana hatrany ifotony…

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Analakely ny firaisamonim-pirenena Ma­hi­sy Fijery, omaly. Namba­ran’ ny filoha mpanorina, Ravololo­manana Lalatiana, tamin’izany, ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena.
Nametra-panontaniana avy hatrany ny tenany. «Fa­novana sa fanavaozana no hatao? Mitaky izahay ny fanovana hatreny ifotony. Hiady mafy ho amin’ny fametrahana izany izahay», hoy izy. Nante­riny fa ilaina ny famerenana ny fahefana amin’ny vahoaka eny ifotony. Notakiany ny handraisan’ny fokontany an-tanana ny fahefana sy ny fampandrosoana ahafahan’izy ireo miady hevitra sy hametraka paikady miainga any ifotony. Niantso ireo mpikambana eo anivon’ny Mahitsy Fijery ny tenany. Mila atomboka amin’izy ireo izany fanovana miainga avy any ifotony izany. « Ilaina ny fanetrentena sy fahasahiana ary koa fifampitokisana. Dingana ahafahana mandroso izany rehefa resy lahatra ny vahoaka », hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany fa tsy manana fahavalo afa-tsy ny fanakorontanana an’ Antananarivo Renivohitra sy ny firenena ny Mahitsy Fijery. « Tsy maintsy taona zina ny 2026. Tsy tokony hiseho ny fanilikilihana fa hifankatia sy hiray hina isika. Tsy handeha ila na hifamaly faty no itantanana ny firenena », hoy ihany izy.
Voatsiahy, tamin’izany, ny lalana nodiavina tamin’ny taona lasa. Niaina tao anatin’ny sarotra niaraka amin’ny fi­renena koa izy ireo ary sahirana. Anisan’ny ezaka natao ny antso tolo-tanana amin’ireo mitovy hevitra sy fomba fijery ny raharaham-pirenena sy ny eto an-dRenivohitra. «Tanà­na sy tanindrazana iaraha-manana ka maha saro-piaro. Ma­nara-maso izahay ary ma­nao ny tandrify sy manitsy ny tsy mety », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: