Other News

Ady amin’ny kolikoly : Natomboka ny fanatanterahana ny drafi-pirenena

Manomboka amin’ny fomba ofisialy hatry ny omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisy ny fivoriana mahakasika izany teny Mahazoarivo. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo, omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisanta­ra­na izany ny fivoriana voalohany na­taon’ny komity mpitantana. Teo […]

TSELATRA

Handalo amin’ny distrika 38 anatin’ny faritra valo ny rivodoza Fytia, araka ny tombana voaray omaly. Heverina fa hahatratra 175 493 ny olona traboina (avy amin’ny tokantrano 40 812). Hahatratra 41 784 ireo trano dibo-drano, 6 168 ny trano sy ny foto-rafitrasa samba. 1 580 ny efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 176 ny […]

Taxi-be 141 tapaka hisatra : Ramatoa iray namoy ny ainy, efatra naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andravoahangy, omaly maraina, tokony ho ta­min’ny 4 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny lalana Ha­gamainty ny loza. Fiara mpitatitr’olona, zotra 141 iray, tapaka hisatra. Avy any Ambato­mainty ary hihazo ny Rond point Hagamainty io fiara io. Niala ny arabe izy ka nifatratra sy nandona […]

Ambohipaly : Tovolahy 30 taona, hita faty

Tovolahy iray manodidina ny 30 taona hita faty tao Ambo­hi­paly, kaominina Arivonimamo I, omaly folakandro tamin’ny 03 ora. Nahatsikaritra olona efa tsy nisy aina intsony sy nivalampatra tamin’ny tany ny olona sendra nandalo ka nampandre ny manodidina sy ny tomponandraikitra. Nampandre­ne­sina mahakasika ny zava-misy ihany koa ny mpitandro filaminana any […]

Zaza valo taona novonoin-drainy : Notapahina ny tendany, notrobarana antsy ny fony

Novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny zanany lahy vao valo taona monja. Notapahiny tamin’ny antsy ny tendany, notrobatrobarany ny tratrany. Namono tena tamin’ny poizim-boalavo ilay nahavanon-doza fa tsy maty. Maty novonoin-drainy ta­min’ny antsy ny zanany lahy vao 8 taona, tany Ambatolava, fokontany Ambatomahamanina, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Antananarivo Avaradrano, ny alarobia 28 janoary […]