Manomboka amin’ny fomba ofisialy hatry ny omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisy ny fivoriana mahakasika izany teny Mahazoarivo.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo, omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisantarana izany ny fivoriana voalohany nataon’ny komity mpitantana. Teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy sy ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean-Louis, izay sady filoha mpiara-mitantana ny komity. Miditra amin’ny dingana vaovao ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara amin’izao.
Ho Nosy fehezin’ny fahamarinana i Madagasikara amin’ny taona 2030. Tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana ny firenena intsony ny kolikoly. Izay no vina fototra hitarika amin’ny fanatanterahana ireo dingana telo fototra amin’ny paikadim-pirenena. Voalohany amin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Manaraka ny fampifandraisana ny sehatra rehetra mifandraika amin’izany. Ao anatin’izany ny governemanta, vahoaka, ny sehatra tsy miankina sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Farany, ny fanajana ny fitsipika sy ny fepetra mba hiantohana ny kolontsain’ny fahamarinana.
Hentitra ny toromarika nomen’ny Praiminisitra mba hanakatonam-baravarana sy hampitsaharana ny fanomezana fanantenana amin’ny kolikoly mahamenatra eto amin’ny firenena. Nambarany koa fa mitaky fanovana ny tsirairay eo amin’ny sehatra misy azy sy ny anjara andraikiny izany. Mba hanatrarana ny tanjona napetraka: “Aoka hotsaroan’ny rehetra hatrany fa ny fanavaozana no zava-dehibe. Tsy ny teny, fa ny asa sy ny dingana isan’andro, atao amim-panajana sy firindrana ary fiaraha-miasa”.
R. Nd.




