Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no matin’ny daroka teo amin’ny hatony, afakomaly. Voaroba ny vola mitentina 5 tapitrisa Ariary. Nafenina tao anaty bozaka tao Ankerana Avaratra, ny razana. Nifampitadiavan’ny olona akaiky azy, hita faty tao Analandrandirana, antampon’ny Betatamo, kaominina Ankerana Avaratra, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny lehilahy iray, afakomaly maraina. Mpamily kamiao sady voairaka […]
Other News
Havatsa –Upem : Nankasitrahina ireo mpanoratra nahavita be
Fikambanana zokiny indrindra. Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonana fanolorana ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem. Nisitraka izany ny mpanoratra miisa 28. Nakarina ho laharam-boninahitry ny kanto «Commandeur», izay fara-tampony ny 11. Mpanoratra efatra nosalorana ny «Officier», 13 nahazo […]
Handball malagasy: Hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa
Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, ny zoma teo, tetsy Ampefiloha, fa hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa ny Malagasy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina, CCOI, izay hotanterahina any Toamasina, ny 8 hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Hatreto, mbola firenena roa ihany no fantatra […]
Pureplay Football League : Mbola manjaka ny Disciples FC
Fandresena hatrany! Nahita fahombiazana indray ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Elgeco Plus Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Vélodrome Antsirabe. Fandresena fahefatra tamin’ny lalao efatra vita izany izao no azon’ny ekipan’i Vakinankaratra, manana isa 12 izy ireo. Iny kosa […]
Lomano: Hamoaka mpilomano sangany ny ligin’Analamanga
Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026, ny faran’ny herinandro teo, ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Mpilomano 154 no nifaninana teny amin’ny ANS Ampefiloha. Tanjon’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, amin’ny fifaninanana karakarainy ny hamoaka mpilomano sangany afaka hisolo tena ny faritra, araka ny nambaran’ny filohany, Razafindramahatra Harijesy. Fifaninanana anisan’ny lehibe sy nahafahana namoaka ireo “Top […]






