Other News

VAOVAO TAMBATRA

Misy ny laharana maitso 918 azo antsoina maimaimpoana ho an’ny olon-drehetra eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Natokana handraisana sy hanamorana ny fitorohana ireo tranga miendrika kolikoly sy fanairana ireo fihetsika ahiahina ho kolikoly io laharana io. Laharana amin’ny tambajotra Oran­ge io 918 io, ny 032 32 11 918 kosa […]

Fanaingana ara-toekarena : Fiaraha-miasa vaovao amin’ny tsy miankina

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy ny 19 janoary teo, teto Antananarivo, ny Dinika ho fanaingana ny toekarena. Nitohy tany amin’ny renivohi-paritany dimy izany, nanatontosana ny tany amin’ireo faritra miisa 23, ary vita tamin’iny herinandro lasa iny. Nandrin­dra azy ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola (MEF), niaraka tamin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny […]

Oniversiten’Itasy : Sekoly roa vaovao hape­traka ao Fieferamanga

Tafapetraka ny sabotsy teo ny vatofototry ny sekoly roa vaovao ho an’ny Oniversiten’Itasy, haorina amin’ny velaran-tany 1,5 ha ao Fieferamanga, Arivonimamo. Hiorina eto amintsika ny Sekoly informatika (Erti) sy ny Sekoly fambolena sy fiompiana maharitra ary fandraharahana (Erade). “Hamo­lavola tanora ma­hafehy ny teknolojia niomerika sy ny fambolena maoderina, mi­fanaraka amin’ny […]

Ady amin’ny valala: Velarantany 40 000 ha voatondraka fanafody

Mandeha ny ady amin’ny valala any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Ampiasaina ny ady an-tanety sy ana habakabaka amin’ny fanondrahana fanafody. Nandefa teknisianina, ekipa miisa 5, any Iho­sy, Betroka, Fotadrevo, Befandriana Atsimo ary Saka­raha ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madaga­sikara (IFVM), ny novambra 2025. Ankehitriny, velarantany mihoatra ny 40 190 ha […]

FANTINA sy FINTINA

Hotokanana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra vita ka nandaniana volam-panjakana, araka ny nam­ba­ran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra ny fitokanana ny kaomisarian’ny Fila­minam-bahoaka ao Betafo, ny asabotsy teo. «Tokony hisitraka ny ariary mivoaka ao amin’ny volam-panjakana ny vahoaka», hoy izy. Hirosoana ny fanavaozana ny zotram-pifidianana. Nisongadina izany tamin’ny fitsidihan’ny delegasionina […]