Other News

Toamasina II : Jiolahy efatra lavon’ ny balan’ny polisy

Manao ranolava ny asan-jiolahy ao Toamasina. Jiolahy mi­isa efatra indray niara-maty, lavon’ny balan’ny polisy, tany an-toerana, omaly alina. Nitondra anarana “Bandes de 6” ireo olon-dratsy ireo. Nikasa hanafika mpandraharaha iray ao Anta­nan­dava Toamasina II, ny andian-dehilahy miisa enina, nirongo fi­taovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy lava “fusil à pom­pe”. Nampandre […]

Asa fosika any Canada sy Suisse : Mpisoloky efatra voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ny mpisoloky miisa efatra, ny faran’ny herinandro teo. Milaza ho mahita asa any Canada sy Suisse izy ireo. Teratany pakistanais ny iray izay mivarotra pasipaoro sandoka 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara. Manoloana ny firongatry ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarinan’olona, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny eo […]

Hiragasy goavam-be : Samy sangany no nifanandrina

Tarika Ramaroson Soa­nie­ranabe nifanandrina ta­min’ny tarika RaEmilison Tsi­makalagy avy any Arivoni­ma­mo. Nifandanja ny anda­niny sy ny ankilany. Izay no nahitan’ireo mpijery ilay adin-kiragasy, tetsy amin’ny Kianja RaPetit Ampefiloha, omaly. Samy nitondra sy naneho ilay nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay ny tarika tsirairay. Samy nahatazona ny fi­fantohan’ny mpijery ihany koa. Tarika RaEmilison, […]

Pr Siméon Rajaona 100 taona : Hisy fifaninanana asasoratra ho tsangambato

Andrarezin’ny teny malagasy. Tsy ho lalovam-potsiny ny tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’ny Pr Siméon Rajaona fa hanatanterahana tsangambato hipetraka ho an’ny taranaka any aoriana. Pr Siméon Rajaona, teraka teto Antananarivo ny 18 febroary 1926. Tsy ho lalovam-potsiny io faha-100 taona io fa homarihina amin’ny fifaninanana asaso­ratra ho tsangambato. Hizara sokajy efatra ny […]

Karate-Analamanga: Niofana momba ny “Médecine du Sport”

Nanatanteraka fiofanana mahakasika ny “Médecine du Sport”, teny Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny eo anivon’ ny ligin’Analamanga ny Karate. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny maha zava-dehibe ny lafiny fitsaboana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no anton’izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny Karate, Rakotomalala Pierrot. Hampiakarana ny fahaiza-manao sy […]