Other News

Dignitas Ecole de Football: Manomana ankizy ho mpilalao matihanina

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, teny Alasora ny ivontoerana manabe sy mampianatra baolina kitra ho an’ireo ankizy, Dignitas école de football. Nisokatra ny volana septambra 2022 ary hetahetan-dRazafindrakoto Mamisoa, mpi­lalao sady kapitenin’ny Scorpions de Madagascar ary mpanazatra ny Disciples FC ankehitriny ny nanangana izany. Tanjony ny […]

Volley – 50 taona : Nifanotrona tamin-dRaharima­lala Léa ny mpitia ny taranja

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa, filohan’ny federasionina malagasy, teo amin’ny tontolon’ny volley ball. Lalao sy fifampizarana ary fihaonana tamin’ireo ni­ara-nilalao sy niara-lehibe tamin’i Léa no nanamarihana ity famaranana ny fankalazana ity, nandritra ny telo andro. Nifanotrona taminy ireo […]

DAKA AN-JORONY: Sao ho varimba­rian’ny lavitra

Mitana ny sain’ny mpanara-baovao indray ankehitriny ny amin’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara. Na efa nanambara aza ny fanjakana fa havaozina ny fifanarahana amin’ilay frantsay teknisianina, tsy mbola tena mazava ny sori-dalana. Mifamahofaho be ny zava-misy satria any amin’ ny karama no itoeran’ny olana, amin’izao fotoana izao. Toa tsy manaiky ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Manan-danja ny fizahantany noho izy mifandray amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, asa ta­nana ary kolontsaina izay mampidi-bola sy manome asa maro samihafa ny malagasy. Sehatra stratejika izy ary laharam-pahamehana amin’ny fampandrosona ny firenana indrindra amin’ny fampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nifantoka tamin’ny fandrosoan’ny tetikasa Volobe, […]

Fanaingana ara-toekarena: Mandeha ny dinika any amin’ny faritra

Mitohy any amin’ny faritra ny dinika ho fanaingana ny toekarena, taorian’ny fanombohana teny amin’ny CCI Ivato, ny alatsinainy 19 janoary teo. Dinika iarahan’ny fanja­kana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Tanjona ny hamaritana ireo rojom-pihariana stratejika, ny hamantarana sy hamakafakana ny […]