Other News

Seranan-tsambo : Vita ny 60% ny asa ao Toamasina

Nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël nandritra ny dia nataony tany an-toerana, ny sabotsy teo. Man­droso ny asa sy ny fanitarana ny seranan-tsambo. Anke­hi­triny, manodidina ny 60% ny asa no efa vita. Nilaza ihany koa ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fa “manohana […]

Fampananana asa : Asa 5 000 ho an’ny tanora ao anatin’ny roa taona

Hamorona asa mendrika ao amin’ny faritra atsinanana mandritra ny roa taona ilay tetikasa “asa 5 000 ho an’ny tanora”. Fandaharanasa tarihan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Fanamby goavan’ny fanjakana ny fampanan’asa ny tanora ho antoky ny fampandrosoana ny firenena. Antony indrindra nametrahana ny tetikasa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mahazatra ny sasany ny ady amin’ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. « Tsy midika ho valifaty politika izany. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misi­traka marina ny harem-pireneny fa tsy famoretana na fanenjehana olona tsy an-drariny », hoy izy tetsy Anosy ny zoma teo. Lohalaharana amin’ny fanampian’i Frantsa ny […]

Fitantanana eny ifotony : Misy fepetra ny fifidianana lehiben’ny fokontany

Miandry aloha. Namba­ran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Ra­kotonandrasana Velonjara Tiaray, fa misy fepetra ny firosoana amin’ny fifidianana ireo ho lehiben’ny fokontany. « Tena ilaina fitoniana izany vao hotanterahina. Miankina amin’ny zava-misy », hoy izy. Nanteriny fa efa vonona hiroso amin’izany ny eo anivon’ny minisitera tantaniny amin’ny andraikitra tandrify azy. Na […]

Tsy mahazo miverina

  Anisan’ny nampanontany tena ny maro tamin’ny hetsi-bahoaka ny amin’ny fiverimberenan’ny krizy poli­tika: tsy mahafa-bela, tsy mampandroso, mampahantra… Anton’ny fanavaozana ifotony. Mila fiaingana vaovao. Mba tsy ny eo ihany no haverina na miverimberina amin’ ny rafitra, lalàna, fomba fiasa… Izay no efa nahavoa sy nahasasatry ny miarina hatramin’izay; eny, na […]