Other News

Tsipy kanetibe-ligy Analamanga : Hanao fihaonambe hanatsarana ny taranja

Hotanterahina ny sabotsy 24 janoary ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fivoriambe voalohany ataon’ ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Hatolotra amin’ io koa ireo fandaharam-poto­ana rehetra ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Hankatoa­vana ny fitsipika rehetra, ara-teknika sy ara-moraly ary ny ara-bola ihany koa. Hampaha-fantarina, mandritra izany, ny mpikambana rehetra […]

Taranja tolona : Mikasa ny handray fifani­nanana iraisam-pirenena

Mikasa ny handray anjara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasionina malagasin’ny taranja tolona, (FML), amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, izay hatao ny volana aogositra ho avy izao. Eo ihany koa ny lalao Olaimpika ho an’ny tanora, U17, izay hotonto­saina any […]

Raharimalala Léa : Hamarana ny fankalazana ny 50 taona nanaovany volley

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny famaranana ny fankalazana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa Manary teo amin’ny taranja volley- ball. Ny 22, 23 ary 24 janoary izao ny fotoana nosafidian’ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny volley-ball hamaranana ny jobily fankalazana ny faha-50 taona nanaovany volley. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra […]

VAOVAO TAMBATRA

Tale jeneraly vaovao hitantana ny Fadin­tsera­nana malagasy, Randrianjafy Antoine. Mahafehy sy mahalala tsara ny lanjan’ny toekarena sy ny ladoany ny tenany. Tanjony ny hanamafisana ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny fitantanana ny haban-tseranana, ny ady amin’ny hosoka sy ny trafika tsy ara-dalàna amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana, indrindra ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : Mila henoina ny sehatra tsy miankina

Nifanakalo hevitra momba ny zava-misy sy nametraka ny vinan’ny toekarem-pirenena izay ahitana vesatra ara-ketra sy ny fitotongan’ny fitomboan’ny toekarena ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny sehatra tsy miankina, andro vitsy lasa. Mandalo fotoan-tsarotra sy manan-danja eo amin’ny tantaran’ny toekarena i Madagasikara amin’izao fotoana, na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fanondra­nana, […]