Other News

TARATRY ny KANTO

Hisy ny dinika fampahafantarana ny “Alahamadibe taona 465”, ny alakamisy 22 janaory izao, amin’ny 8 ora maraina, etsy amin’ny IKM Antsahavola. Misokatra ho an’ny rehetra izay liana mahakasika ny fomban-drazana amin’ny ankapobeny, indrindra mahakasika ny “Alahamadibe” izy ity, karakarain’ny vondrona Tsy mamorona fa mamelo-ma­so. Tsiahivina fa ny 19 marsa ho […]

« Noho ilay fitiavana ihany…»: Hiverina an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana

Nahazo taona, saingy tsy lefy laza. Mbola vonona ny hisedra ny sehatra toy ny nataony nandritra ny taona maro nivalona i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana. Hamerina indray ireo hiram-pitiavana nitety vanim-potoana maro… Maro ireo tsy nanantena intsony. Hany ka hafaliana no nandrasain’ ireo mpankafy ny vaovao hoe hiverina hiaka-tsehatra […]

« Salon du bien-être »: Hatao etsy Androhibe, ny 23 – 25 janoary

Hotanterahina ny 23 hatramin’ny 25 janorary 2026 ho avy izao ny hetsika « Salon du bien-être », andiany voalohany. Hetsika karakarain’ny Centre de Gaïa, etsy Androhibe. Miavaka ary mbola tsy fahita firy eto Madagasikara io tolotra io satria natokana ho an’ny tontolon’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny sy ny ara-tsaina ary ny fahasalamana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mihisatra ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahefatra, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Mbola ny 20% monja ny fandrosoan’ny asa vitan’ny orinasa CRBC sy ny Witec, ao anatin’ny tetikasa PDDR, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. « Handraisana fepetra ny orinasa tsy manao araka ny tokony ho izy ny asany. Mila manampy isa ny mpiasa sy […]