Other News

TSELATRA

Vehivavy hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny Lavage Anosipatrana, afakomaly. Tsy nisy akanjo intsony io vehivavy io saingy mbola teny aminy ny kirarony. Jiolahy roa lahy tratra namaky trano tao Mandrosoa Ivato, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 janoary teo. Toerana fikarakarana bika aman’endrika io lasibatra io ary efa […]

Nisotro zava-mahamamo : Mpamily iray namoy ny ainy latsaka tao anaty rano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tetsy amin’ny kaominina ambanivohitra Sabotsy Na­mehana, distrikan’An­tanana­rivo Avaradrano, afakomaly, tamin’ny 8 ora alina. Niseho teo amin’ny lalana pavé Tsa­rasaotra/Antsofinondry hivoaka ny lalam-pirenena fahatelo, ivelan’ny tanàna, ny loza. Fiara Golf Type 1 iray miloko fotsy avy any Ivato hihazo an’i Sabotsy Namehana no niharan-doza. Nandeha mafy, […]

Analamahitsy Cité : Zaza efatra tratra namaky trano

Niditra teo am-baravarankely, ankizilahy miisa efatra tratra namaky trano tao amin’ny fokontany Analamahitsy Cité, boriborintany fahadimy, ny alarobia 14 janoary teo. Nihidy ilay trano nokasain’ny mpanao ratsy horobaina tamin’io fotoana io. Ny varavarankely izay afaka nakisaka ny hidiny, saingy tsy tafiditry ny olon-dehibe. Nanita-kevitra ireo mpamaky trano ka nasainy nisitrika […]

Loza voajanahary : Roa maty, efatra naratra nilatsahan’ny varatra

Niara-namoy’ny ainy, nilatsaham-potaka ny zatovo mianadahy afakomaly tany Tsiroanomandidy. Naratra ny olona roa hafa. Nisy zaza roa koa main’ny varatra tany Anjozorobe, nieren-doza kosa ny iray trano. Nampihorin-koditra ny tranga nahafatesana an­kizy mirahavavy izay niaraka nilatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Adabo Analatsifaka Andrefana, Man­garivotra Tsiroanomandidy, fa­ri­tra Bongolava, afakomaly. Niasa teny an-tsaha […]