Tafiditra amin’ny firenena anaovan’ny Amerikanina fifampiraharahana amin’ny fandefasana mpifindra monina tsy ara-dalàna i Madagasikara. ”Tsy mbola nanome valin-teny mahakasika izany aho”, hoy ny kolonely Randrianirina Michael. Nohamafisin’ny filohan’ ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, fa nisy tokoa ny iraka avy any Etazonia, niresaka momba ny […]
Other News
Baolina kitra – PFL: Manambana hikomy ny mpitsara ao Mahajanga
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mandeha ny resaka any amin’ny faritr’i Boeny fa misy andiana mpitsara hikasa ny hikomy indray any an-toerana. Nilaza ny eo anivon’ny CFEM fa efa nampitandrina an’izay mpitsara mikasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Albacete, ny ekipan’ny Real Madrid Fc, Espagne. Tsikaritra tao anatin’ izany lisitra izany fa tsy ao ry Mbappé, Rodrigo, Carreras, Trent Alexander Arnold, Bellingham, Rudiger, Tchouameni ary i Courtois. Kotrana sy fiarahana mikorana no hanombohana ny taona ho an’ny […]
Basikety : Nomena “Chevalier de l’ordre national” Ratafia
Nentina nomena voninahitra farany teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia ary nomena ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national”. Noho ny zava-bitany, izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, no antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy izao mari-boninahitra izao. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra […]
Federasionina malagasin’ny handball : Takin’ny filohan’ny ligin’ Atsinanana ny trosa teo aloha
Manaiky ny fifidianana saingy mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriamben’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny filoha mpitantana ny ligin’Atsinanana, Razanadrakoto Harinaivo. Mangata-panazavana ny amin’ny trosa teo aloha izy. Ny sabotsy lasa teo, namory mpanao gazety teo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Razanadrakoto Harinaivo, filohan’ny ligin’Atsinanana amin’ny taranja handball. Nilaza ny tsy […]






